Ny fanajana ny fepetra anaty fifanarahana iombonana, indrindra ny mikasika ny resaka fandraisana mpiasa voalaza ao anatin’ny andininy faha-12 aloha no tena hotakian-dry zareo ao anatin’ny sendikan’ireo
mpiasan’ny Jirama amin’ny fitondram-panjakana amin’ity herinandro ity. Izay no nivoitra nandritry ny fihaonana fakan-kevitra notontosain’izy ireo tetsy amin’ny hotely Ny railovy etsy Analakely ny sabotsy teo. Araka ny fanazavana, rehefa tsy mahafeno ny fepetra hidirana amina toerana iray ireo mpiasa efa ao anatin’ny orinasa Jirama vao tokony hitady olon-kafa any ivelany ny fanjakana. Ny mpiasan’ny Jirama ao anatiny aloha no homena tombony rehefa misy ny asa atao raha ny hevitr’izy ireo, resaka izay toa mifanipaka amin’ny nambaran’ny minisitry ny angovo izay mahita hoe tsara kokoa raha olona ivelan’ny Jirama no mitondra fomba fijery hafa kokoa hanatsarana ny fomba fiasa. Takian’izy ireo ihany koa ny hanajana ny rafi-pitantanana eo anivon’ny Jirama, ny hananganana “centre médico-social” sy “centre de réflexion”. Anio alatsinainy no hametraka amin’ny tompon’andraikitra sy ny manampahefana ireo fitakiana misy teboka 5 ireo ny sendikan’ny mpiasan’ny Jirama. Miditra amin’ny sehatry ny fifampiraharahana ny resaka aloha amin’izao fotoana araka ny fanazavana azo avy amin’ireo mpitarika sendikaly saingy rehefa tsy misy ny valiny mahafa-po dia tsy maintsy hiroso amin’ny fitokonana ny mpiasan’ny Jirama na dia hisy aza ny fanapahana karama.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.