Nangingina ireo PARAMED tao ho ao. Nifoha amin’ny torimasony anefa izy ireo ankehitriny taorian’ny fitsanganan’ny sendikany nandritra ny kaongresy notontosain’izy ireo tany Toamasina farany teo.
Manomboka izao dia io sendika io no handray an-tanana ny fitakiana. “Tsy misy miova ny fitakianay fa ny fanamboarana ny marikarama hifanaraka amin’ny asa sy ny fahaizana”, hoy Rakotondrafy Aimé, filohan’ny “Syndicat des sage-femmes et infirmiers de Madagascar”. Nohamafisiny fa tsy filam-boatsiary akory ny fangatahana io maribola io satria manampahaizana manokana mihitsy no nilaza fa ara-dalàna raha manana “point d’indice” 1200 ny PARAMED. I Tsialofana avy ao amin’ny FMMD kosa dia nanamarika fa atao zanak’ikalahafa mihitsy izy ireo. “Nahoana izahay no tsy jerena kanefa manam-bola ny fanjakana matoa afaka mandany Ar 10 miliara hanamboarana ny kianjan’Antsonjombe ?”. Mangataka fihaonana an-databatra boribory amin’ny manampahefana ny sendika ka handefa taratasy ara-panjakana any amin’ny fiadidiana ny tetezamita, ny ministeran’ny fahasalamana ary ny ministeran’ny asam-panjakana momba izay. Manome iray volana ny fanjakana hamaliana ny fangatahany moa ny PARAMED izay nanamafy fa tsy fampitandremana na “ultimatum” akory io. “Ho hita eo izay fanapahan-kevitra mety horaisina raha tsy misy valiny izany”, hoy kosa i Jean Valérien.
Tambinkarama
Hany tombontsoa nomena ireo PARAMED tamin’ny fitakiany ny “indemnité de sujétion” mitentina Ar 20.000 isaky ny mpiasa. Raha ny tatitry ny sendika anefa dia ny 1/3-n’ny mpiasa ihany no nahazo io tambinkarama io hatramin’ny volana jona teo. Ho an’ny mpampivelona manokana dia ny antsasa-manilan’izy ireo no mbola miandry ity tambinkarama ity. Nasian’izy ireo resaka koa ny momba ny fandaharanasan’ny FAT izay manam-pikasana hanamboatra hopitaly 15 manara-penitra manerana ny nosy. Ho an’ireto mpiasan’ny fahasalamana ireto dia ny fanatsarana ny fepetra iasan’ny mpiasa sy ny fampitaovana ireo tobim-pahasalamana misy ankehitriny no ilaina.
“Tsy misy afa tsy 5 monja ny PARAMED miandraikitra ireo sampandraharaha rehetra ao amin’ny Hopitalin’i Maintirano ka atao inona hopitaly vaovao raha tsy ampy akory ny isan’ny mpiasa ?”. Nokianin’izy ireo koa ny fanomezan-toky hametraka scanner isaky ny hopitaly kanefa maro amin’ireo tobim-pahasalamana no tsy manana fitaovana fitarafana na “radio” akory na koa tsy miasa ara-dalàna intsony izany. Momba ny hetsika fanaovam-baksiny Gripa A izay tontosaina amin’izao fotoana dia nanamarika i Tsialofana fa tsy laharam-pahamehana izany fa zava-dehibe kokoa ny fiarovana ny “hépatite B” izay mamono olona maro any amorontsiraka. Nisy mpiasan’ny fahasalamana iray moa vao matin’ity aretina ity tany Vatomandry tamin’ny herinandro lasa araka ny fijoroana vavolombelona nataony.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.