Naneho ny tsy fankasitrahana ny famindran-toerana ireo mpitsara notapahin’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara tamin’ny faran’ny volana aprily 2015 teo ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara.
Tsy ara-drariny io fanapahan-kevitra noraisina io ka takian’ireo mpitsara mpikambana ao amin’ny SMM noho izany ny fampiatoana ny famindran-toerana. Nisongadina izany nandritra ny fivoriambe tsy ara-potoana notanterahana teny amin’ny Fitsarana tampony Anosy. Natokan’ireo mpitsara sendikalista ho andro fandinihana ny zava-misy eo amin’ny tontolon’ny fitsarana niaraka tamin’ny asam-baomiera moa io fihaonan’izy ireo omaly tontolo andro io.
Nangonin-dRamano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.