Actualités

Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara “Atsaharo ny fandrahonana sy famindran-toerana”


  • Alarobia 06 Mey 2015

Misy fotoana hanginana dia misy ny fotoana tsy maintsy hitenenana, hoy ny SMM namory mpanao gazety tetsy Anosy omaly. Niezaka ny nangina tsy niloa-bava izahay fotoana naharitraritra ihany izay, nefa noho ny fanosoram-potaka

 

mielipatrana manerana ny nosy ankehitriny sy noho ny  fitsabahan’ny olona mpitondra fanjakana ambony sy mpanao politika lalina amin’ny asanay dia tsy afaka ny hangina intsony ny SMM. Tsy anjely latsaka an-tany akory izahay mpitsara, hoy izy ireo, fa toy ny olon-drehetra ihany ka manan-jo hiaro tena, hiaro ny momba azy rehetra sy ny voninahiny. Azo toriana sy tsaraina koa anefa izahay raha manana fahadisoana eo amin’ny fiainana sy ny fitondran-tena. Nanao fanambarana tamin’io omaly io ny SMM ka nilaza fa mahatsiaro ho voahosihosy ny hasin’ny fitsarana malagasy noho ireo fanimbazimbana sy fanaratsiana miseholany etsy sy eroa voalaza teo ireo na mivantana izany na afafy amin’ny alalan’ny haino aman-jery samihafa. Tena voahitsakitsaka noho ny fitsabahan’ny olona mpitondra ambony sy ny mpanao politika lalina amin’ny asan’izy ireo ny mpitsara, hoy ny SMM. Tokony hatsahatra ny fandrahonana sy ny famindran-toerana tsy mifanaraka amin’ny lalàm-panorenana sy ivelan’ny asa tsy misy farany atao   amin’izy ireo.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT