Actualités

Sendikan’ny mpitsabo mpiasam-panjakana “Tsy mangataka izahay fa mitaky …”


  • Zoma 12 Novambra 2010

Manamafy ny fitakiany amin’ny alalan’ny fitokonana isan’andro manomboka amin’ity zoma ity ireo mpitsabo mpiasam-panjakana, ary tsy hilefitra mihitsy raha tsy hita ny vahaolana.

Fampiharana ny mari-karama vaovao sy fanatanterahana izay efa voasoratra moa no takian’izy ireo. Eo ny fitakiana ny hamoahana ny didy fampiharana momba ireo tambi-karama telo, dia ny « indemnité de logement » mitentina 100 000 ariary, ny « indemnité d’entretient » 100 000 ariary ary « indemnité de transport » mitentina 60 000 ariary. Tambin-karama mitotaly 260 000 isam-bolana izany no notakian’ireto dokotera ireto. Nanambara moa Atoa Ndatason Frederic filohan’ny sendikan’ny mpitsabo mpiasam-panjakana fa manaraka izao hetsika izao avokoa ny any amin’ireo faritra 22 ary hatramin’izao dia 3 000 ny isan’ireo dokotera ireo manerana ny nosy raha ny « fiche d’adhésion » voaray eto Antananarivo no jerena. Nilaza anefa izy ireo fa tsy manana fahefana hanidy ny hopitaly ary tsy mieritreritra mihitsy ny hanao sorona ny marary, araka ny vaovao aely etsy sy eroa. Tsy mangataka izahay fa mitaky ny fampiharana ny zavatra efa vita Sonia, hoy ihany Ndatason Frederic ary vonona ihany koa hifampidinika amin’ny manampahefana sy hikaroka ny marimaritra iraisana. Manomboka amin’ny 8 ora maraina indray moa no mifanome fotoana eny amin’ny HJRA ireto mpitsabo ireto ary hanohy ny fitokonana.

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT