Tsy nahomby ary tsy nahafa-po ny mpiasam-panjakana ny kabarin’ny Filoham-pirenena nandritra ny lanonam-be fiaraha-misakafo noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2017 natao teny Iavoloha ny 6 janoary teo.
Tsy niandry ela ny valy bontana avy amin’ny sendika F3M na ny « Fiaraha-mientan’ny Mpiasam-Panjakana », izay tsy afa-po tamin’ny fampanantenana nataon’ny filoha ho an’ireo mpiasam-panjakana. Na dia teo aza mantsy ny fanambaran'ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin'ny hampiakarana 7% ny karaman’ny mpiasam-panjakana eto amintsika amin’ity taona ity, dia tsy mahafa-po ny sendika F3M izany, ka takian'ity sendika tarihin'i Tsialofana Andriankinana ity ny tokony hamerenan'ny fanjakana ny fandinihana sy fanatsarana ny mari-karama. Io ihany no hany vahaolana hahafaha-manatsara ny fari-piainan'ny mpiasa raha tena tiana marina ny hitsinjo sy hampivoatra ny tontolon’ny asam-panjakana eto amintsika manoloana ny halafon’ny vidim-piainana, raha haravona ny hevitr’izy ireo. Raha fisaorana sy fankasitrahana izany no nantenain’ny fanjakana Rajaonarimampianina, dia ny mifanohitra amin’izany no niseho, izay midika fa tsy faly sy tsy afa-po amin’ny fomba fitantanana ny firenena, indrindra fa ny resaka asam-panjakana eto amintsika ny sendika. Ahiana hiitatra any amin’ny fitakiana sendikaly ny raharaha noho ny fanaovana tsinontsinona ny mpiasa Malagasy, kanefa ny mpitondra malaza ho manam-bola sy mandany vola fahatany amin’ny zavatra tsy dia mankaiza, fa tsy mahavita manao zavatra mba hitsinjovana ny tombontsoan’ny maro an’isa.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.