Actualités

Sendika manerana ny nosy Hitady vahaolana mety amin’ny rehetra


  • Alatsinainy 03 Jolay 2017

Nanatanteraka fivoriambe tetsy Antaninarenina ny sabotsy teo ireo sendika marobe manerana ny nosy izay mitokona matetika noho ny fahatsiarovan’izy

 

ireo fa marary ny tontolon’ny asam-panjakana eto amintsika. Anisan’ireo tazana teny an-toerana ny sendikan’ny mpitsara (SMM), ny sendikan’ny mpiasam-panjakana (SSM), ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka (SECES) sy ny avy eo anivon’ny Air Madagascar ary ny fadin-tseranana (Sympidou). Ny hitady vahaolana mety amin’ny rehetra moa no tanjona, raha ny fanazavana, ary hampahafantatra ny fitondram-panjakana fa misy andraikitra tokony ho fantatry ny mpitondra eo anivon’ny sendika amin’ny maha solontenam-bahoaka izany sendika izany. Mety hisy ny fitokonana faobe hotanterahan’ireto sendika ireto ary ny avy eo anivon’ny Sympidou moa dia nilaza fa hiverina hitokona ny alarobia izao rehefa tsy misy vahaolana. Ny SMM kosa dia mety hanitatra ilay fe-potoana 10 nomeny ny fanjakana satria tsy eto an-toerana ny minisitra tompon’andraikitra, hoy ny fanazavana. Hatreto aloha dia hita ho tsy mampihetsi-bolomaso ny fitondram-panjakana ny fitakiana sendikaly etsy sy eroa. Raha hiverenana ny zava-nisy 2 taona lasa, ohatra, dia anisan’ny henjana ny fitakiana nataon’ny sendikan’ny mpiasan’ny Air Madagascar sy ny Jirama saingy toa nangingina taty aoriana. Tsy voavaly daholo anefa ny zavatra notakiana ary mbola misy ny olana hatramin’izao. Resaka tombontsoa ho an’ny mpiasa moa no tena takian’ny sendika amin’ny ankapobeny. Misy ihany koa anefa indraindray ny fitsabahan’ny resaka politika sy ny resa-bola ka mety ho noho izay no tsy maha rototra ny mpitondra fanjakana satria efa hain’izy ireo ny mandamina izay mila alamina rehefa tena mafana ny fitakiana.

Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT