Actualités

Sendika Malagasy Manambana korontana


  • Alakamisy 28 Desambra 2017

Manome 48 ora ny fitondram-panjakana ny avy eo anivon’ireo sendikan’ny mpiasam-panjakana Malagasy mba hamerenana amin’ny laoniny ny fandraisan-karaman’izy ireo nanomboka omaly.


Rehefa avy nanao fanambarana niaraka tamin’ireo namany avy amin’ny sehatra tsy miankina sy tsy ara-panjakana mivondrona ao anatin’ilay antsoina hoe SSM na “Solidarité Syndicale de Madagascar” tetsy amin’ny hotely Le Pavé Antaninarenina izy ireo dia niakatra teny amin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola tsy lavitra teo ihany niverina nitabataba fa tsy rariny ny fanapahana ny karaman’izy ireo satria tsy izy ireo no nampiditra mpiasam-panjakana matoatoa tao anaty orinasam-panjakana. Takiana noho izany ny fandraisana karama tapaka hatramin’ny rahampitso mba tsy hisian’ny fitokonana manerana ny Nosy. Takiana ny fampitovian-karaman’ny mitovy mari-pahaizana. Takiana ny fanondrotan-karama. Rehefa tsy mahay ny asany ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola dia tokony hametra-pialana fa tsy lojika ny hoe “matricule” an’olona iray, olona telo no manana azy.

Karama vary masaka                                                              

Lainga raha ny mpiasam-panjakana no mandany ny volam-panjakana, hoy ny Firaisankinan’ny sendika. Ity fitondram-panjakana ity mantsy no tsy niraharaha mpiasam-panjakana indrindra tamin’izay rehetra nandalo teo. Ny an’n y olona rehetra fisondrotan-karama 10% isan-taona hatrany fa ny azy irery no 7%. Raha lazaina fa 35% no vola atokana ho an’ny mpiasam-panjakana isaky ny mandany tetibolam-panjakana dia hetra daholo ny 17%, izany hoe 18% no sisa ambiny. “Mikarama varimasaka”, hoy izy ireo, ny mpiasam-panjakana. Ireo toeran’ny tale sy tale jeneraly ary any amin’ny ambasady no tena mandany volam-panjakana satria 204.709 izy ireo. Ny ao amin’ny minisiteran’ny tetibola fotsiny no efa misy tale miisa 1043. Ny mahagaga anefa dia tsy misy tapaka karama ao na iray aza. Manambana korontana, araka izany, ireto sendika ireto raha toa tsy mivaha rahampitso zoma ny olana. “Fanodinkodinam-bola hita ampahibemaso izao ataon’ny fanjakana izao”, hoy izy ireo.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT