Notontosaina ny talata 23 oktobra 2012 teo, teo anivon’ny biraon’ny DREN Vakinankaratra ny fivoriana voalohany notarihin’ny talem-paritry ny fanabeazam-pirenena Vakinankaratra, Atoa Rakotomalala Andriamihaja.
Tanjona ny ho fampandrosona hatrany ny fanabeazana amin’ity taom-pianarana vaovao ity, araka ny nolazainy. Nandray anjara tamin’izany avokoa ireo Cisco fito ao Vakinankaratra, ka anisan’ny tolokevitra nivoaka tamin’izany ny fanaovana volavolam-pitantanana maharitra mba hanamafy orina ny fiaraha-miasa sy fametrahana rafitra mafimafy kokoa hahafahana miasa ao anatin’ny filaminana ka hahatrarana ny tanjona sy hanatsarana hatrany ny voka-panadinana izay somary latsaka tamin’ny taona lasa noho ny antony maro samy hafa. Mba hialana amin’ny resaka honohono sy tsaho dia hametraka solontena isaky ny Cisco ny DREN hiserasera amin’ireo any an-toerana mba hialana amin’ny fivezivezena ao Antsirabe.
Hisy ihany koa ny fampiofanana hiarahana amin’ireo sampandraharaha hafa amin’ireo fitantanana toy ny FOP, ny “solde”, izay efa miara-miasa manao ny fampiofanana ny mpiasa ho matihanina mba hampandroso hatrany ny foibem-panabeazana. Hisy ihany koa ny fihaonana amin’ireo lehiben’ny FRAM mba hisian’ny fafanakalozan-kevitra avy eny ifotony. Fa fantatra tamin’ity fihaonana ity araka ny tatitra dia misy ny fitoniana ankehitriny eo anivon’ny DREN sy ny SEMPAMA, indrindra ny ao Vakinankaratra taorian’ny fiaraha-miresaka tamin’ireo mpampianatra ao anatin’ny SEMPAMA.
Nandritry ny dian’ny minisitry ny fampianarana tany amin’ny renivohitry ny Faritra Matsiatra Ambony mantsy dia voalaza fa nisy ny fihaonany tamin’ireo mpampianatra ao anatin’ny SEMPAMA ka notapahina tamin’izany fa havaozina sy hatsangana ny birao vaovao hitantana izany manerana ny Nosy mba ho ara-dalàna amin’izay ary efa eo am-pikarakarana izany ny mpikambana ankehitriny. Heverina ho vita amin’ity faran’ity volana ity izy io raha ny fanazavana ihany. Raha ny resaka nifanaovana tamin’ny SEMPAMA ihany ho an’i Vakinankaratra manokana dia nilaza fa vonona izy ireo ny hiditra amin’ny birao vaovao. Nanamafy anefa ny DREN fa misy ny rafitra tsy maintsy hiangaina dia ny eo anivon’ny solontenam-panjakana, ny sefo ZAP, ny Cisco, ny DREN ary farany ny ministera mba ho ara-dalàna ny tolona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.