Feno fito volana omaly alakamisy 27 septambra ny fitokonana nataon’ny SEMPAMA na ny Sendikan’ny mpampianatra mpanabe eto Madagasikara.
Nivoaka tamin’ny fahanginany indray izy ireo rehefa ninia tsy niteny nandritra ny fotoana lavalava ary nampahafantatra ny olom-pirenena rehetra fa mitohy ny tolona ataony fa tsy mijanona hatreo akory. Tolona izay ady aman’aina, araka ny nambaran’ny filohany Raharovoatra Claude. Betsaka ireo mpampianatra no tapaka karama. Tsy nasiana resaka ihany koa ny fanavaozana ny fiaraha-miasa na «contrat» –n’ny sasany raha notapahina mihitsy ny an’ny hafa. Adikan’ny SEMPAMA ho vono olona hataon’ny fitondram-panjakana tsotra izao izao ka takian’izy ireo ny hialan’izay tompon-kevitra tamin’izany amin’ny toerany sy ireo mpiray tsikombakomba aminy. Tsy miova ny foto-kevitry ny SEMPAMA hoy ihany ity filohany ity.
Voalaza ombieny ombieny mantsy, hoy izy fa anisan’ny nampikatso ny fianaran’ny zaza Malagasy ny SEMPANA. Tsy izay anefa no tanjona fa ny ho fanomezana hasina ity sehatra iray ity satria anisan’ny kitro hifaharan’ny fampandrosoana ny fanabeazana. Voalaza koa, hoy ihany Raharovoatra Claude fa faharesena ho an’ny SEMPAMA ny fahavitan’ny fanadinam-panjakana telo sosona na dia tsy nianatra nandritra ny dimy volana aza ny mpianatra teny anivon’ny sekolim-panjakana. Henatra ho an’ny firenena anefa izany, hoy ity filohan’ny sendika ity satria maro ireo lehiben’ny fari-piadidiam-pampianarana no nomena baiko fa tsy maintsy hatao 100% avokoa ny voka-panadinana rehetra eny anivon’ny sekolim-panjakana, anisan’izany ny Distrikan’i Miandrivazo izay zava-nisy tsy mbola fahita teto amin’ny firenena hatramin’izay.
Hanao hetsika goavana moa ity sendika ity ny 05 oktobra ho avy izao amin’ny maha andro iraisam-pirenena ho an’ny mpanabe io vanim-potoana io. Hisy ny “assise nationale” hotanterahin’izy ireo eto an-drenivohitra noho izany ka hitondran’ireo mpikambana manerana ny Faritra 22 ny fikaonan-doha nataony ary hanapahany na hiverina hiditra an-tsekoly izy ireo ny 08 oktobra ho avy izao na mbola hanohy ny fitokonana. Tsara ny manamarika fa anisan’ny nitondra ny alahelo tamin’izao valandresaka ho an’ny mpanao gazety omaly izao ireo mpampianatra FRAM izay mangataka tsy misy hatak’andro ny tokony handoavana ny “subvention”-n’izy ireo tsy voaloa nandritra ny sivy volana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.