Actualités

SEMPAMA Mandrahona ny tsy hampianatra


  • Alarobia 02 Janoary 2013

Napetraka ny fanamby saingy tsy tratra ny tanjona. Izay no teny tokana mahalaza ny zava-misy eo anivon’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena momba ireo mpampianatra tapaka na notapahana karama no marimarina kokoa, izay mpikambana SEMPAMA avokoa, nitaky ny hamerenana ny hasin’ny fampianarana saingy famindran-toerana sy fanapahan-karama no setriny.

 Nampanantena ny minisitra Manoro Régis, ny 16 novambra 2012, nandritra ny lanonana ho fanamarihana ofisialy ny fanombohan’ny taom-pianarana 2012-2013 tany Toliara, fa hamitram-pihavanana amin’ny SEMPAMA, atsahatra mba tsy hilazana fa foana ny famindran-toerana ary dia haverina ny karama tapaka. Tapitra ihany anefa iny ny taona 2012 tsy mbola tanteraka io. Miisa 168 mianadahy mianaka no voakasik’io fanapahan-karama io ka any Boeny ny 49 amin’ireo, ankoatra ireo mpampianatra FRAM tsy nahazo tambinkarama nefa nisy voaroaka.

Efa Krismasy fotsy ny azy ireo teo, ary dia mbola torak’izany koa ny tamin’ny taom-baovao. Sivy volana tamin’ny 27 desambra teo izao ny hetsiky ny SEMPAMA. Anatin’ny “grève de conscientisation” izy ireo amin’izao ary dia mandrahona ny tsy hampianatra amin’ny fidiran’ny mpianatra eo noho tsy mbola naharaisan’ny naman’izy ireo karama io.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT