Actualités

SEMPAMA Hifandroritana ny anarana


  • Alatsinainy 14 Janoary 2013

Hifandroritana ankehitriny ny resaka SEMPAMA raha ny zava-misy. Hatreto dia tsy hay intsony hoe iza no iza ? Raha ny ao Vakinankaratra manokana dia tsy misy aloha hatreto ny fitokonana ataon’ny mpampianatra fa dia mizotra ny fampianarana amin’izao fiandohan’ny telo volana faharoa izao.

 Nambaran’Atoa Rakotomalala Andriamihaja, Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena fa “mizotra araka ny tokony ho izy” ny azy ireo ny asany ary ny tanjona ho azy ireo dia ny fampiakarana ny vokatra ho tsaratsara kokoa noho ny tamin’ny taon-dasa ka misy mihitsy ny fidinana ifotony ho fanohanana sy fanaraha-maso ireo mpampianatra amin’izao fotoana. Misy ny tohana manokana omena ireo mpanabe, indrindra ireo mpampianatra FRAM ahazoana ireo vokatra ireo.

Ankoatra izay dia mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny UNICEF ka hisy ny manampahaizana manokana ho avy ao Vakinankaratra hijery ny fanohizana izay fiaraha-miasa matotra izay. Mahakasika ny resaka SEMPAMA dia nolazainy fa aminy dia “mirindra ny fiaraha-miasa” eo amin’izy ireo satria ny tenany dia olon’ny fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra ka ny tanjona dia ny hampandrosoana ny fanabeazana. Raha ny ao Vakinankaratra dia mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny “SEMPAMA Nosy ” tarihin’Atoa Ratolojanahary Arsène, izay voalaza fa izy ireo ankehitriny no tompon’ny anarana SEMPAMA sy miaro izany any amin’ny OMAPI ary miara-miasa sy mitady vahaolana amin’ny ministera amin’izao fotoana ka mitohy hatrany ny tolona, saingy raha tsy fandehanana tany an-dakilasy ny hetsika teo aloha dia niova ho dinidinika ambony latabatra izany ankehitriny.

Caïus Raharison

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT