Jadona ! Izay no andikan’ireo mpampianatra miankina amin’ny fanjakana ao amin’ny Faritra Amoron’i Mania ny teny midina avy any amin’ny Ministeran’ny fanabeazam-pirenena ankehitriny.
Araka ny nambaran’ny Talen-tsekoly ao amin’ny EPP Alakamisy Ambositra dia voarara tsy mahazo mampiantrano ireo mpampianatra SEMPAMA ao Ambositra hanao fitakian-jo intsony ny sekoly manomboka izao. Maro amin’ireo mpampianatra FRAM any ambanivohitra no mitaraina noho ny fandrarana azy ireo tsy hanohy ny fitakiana sendikaly intsony. Mbola misy mpampianatra tapaka karama rahateo ao amin’ny Distrikan’i Fandriana sy Manandriana hatramin’izao ka miandry ny famerenan’ny fanjakana izany. Niverina nampianatra avokoa aloha hatramin’izao ireo mpampianatra nitokona hatramin’izay.
Taorian’ny fitetezam-paritra nataon’Atoa Manoro Régis, Minisitry ny fanabeazam-pirenena tany Amoron’i Mania ny fiandohan’ny volana oktobra teo ireny dia tsy nisy intsony ny fitokonana nataon’ireo mpampianatra SEMPAMA. Nahazo toerana ho Lehiben’ny Cisco rahateo ny mpitarika ny SEMPAMA ka nangina ny hetsika nefa tsy sahy nitarika intsony ny mpandimby azy. Araka ny fantatra dia fitakiana an-databatra indray no hataon’ireo mpampianatra fa tsy atao an-kalamanjàna intsony. Hisy ny fivoriana hataon’ireo mpampianatra SEMPAMA ao Ambositra miaraka amin’ny mpitarika ny SEMPAMA nasionaly avy aty Antananarivo rahampitso asabotsy 27 oktobra handinihana izay mety hitondrana ny tolona indray. Ho hita eo ny tohin’ny fitakiana satria efa nilaza mbola hanohy ny tolona ireto mpampianatra ireto taorian’ny firavan’ny taom-pianarana teo aloha ka ho hita eo na ho fitakiana an-kianja toy ny teo aloha na an-databatra araka ny heno tato ho ato.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.