Tsy niandry ela fa namaly avy hatrany ny fangatahan’ny mpampianatra SEMPAMA ao Amoron’i Mania ireo mpitarika ny SEMPAMA Nasionaly tarihan’Atoa Raharovoatra Claude ka nidina tany Ambositra ny asabotsy 27 oktobra lasa teo.
Tao amin’ny Kianjan’ny 90 Ariary, EPP Alakamisy, no nifampitaona ireo mpampianatra marobe avy amin’ny Cisco efatra ao Amoron’i Mania. Tsy nisy sahy nanakana azy ireo tamin’ity fotoana ity ka afaka nihaino ny filoha nasionalin’ny SEMPAMA ireo mpampianatra. Nitondra ny paikady vaovao hitondrana ny tolona Atoa Raharovoatra Claude dia ny fanatanterahana ny fitokonambe manerana ny Nosy. Io ilay antsoina hoe “Grève générale de conscientisation Nationale” hanairana ny fiarahamonina manontolo fa tandindomin-doza ny hoavin’ny firenena raha mbola izao ihany no hitondrana ny fampianarana eto Madagasikara. Tsy maintsy ampahafantarina ny vahoaka izany, hoy ny filoha nasionalin’ny SEMPAMA fa tsy fahavitan’ny fanadinana fotsiny dia vita sy misosa ny fampianarana.
Ny rafi-panabeazana mihitsy hoy ihany ny tenany no tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny firenena intsony ka mahatonga ny mpampianatra hahantra amin’izao fotoana izao. Tsy azo ekena ny mbola fisian’ny mpampianatra FRAM sy karama tsy mifandanja eo amin’ny samy mpiasam-panjakana. Nifanaiky fa hanohy io fitokonam-be io ny SEMPAMA ao Amoron’i Mania ka hisy hatrany ny fitokonana hatao na dia efa maro aza ireo mpampianatra tsy sahy mitokona intsony noho ny tahotry ny fahatapahan’ny karama. Nambaran’Atoa Raharovoatra Claude fa ny Minisitry ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy Atoa Tabera Randriamanantsoa no efa nilaza fa raha mbola izy no mitantana io Ministera io dia tsy hisy velively izany fanapahan-karama izany. Nanamafy ny firaisankina ireo mpampianatra ao Amoron’i Mania ka tsy hihemotra amin’ny tolona efa natomboka.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.