Nandriaka indray ny ra tany amin’ny lalam-pirenena faha-7 mihazo an’Antsirabe omaly vao mangiran-dratsy. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina mantsy teo amin’ny PK 65, any amin’ny 4 km tsy hidirana an’Ambatolampy raha avy aty Antananarivo. Olona 3 no indray namoy ny ainy.
Fiarabe “semi-remorque” nitondra enta-mavesatra no tojo olana ara-teknika satria voalaza fa lany rivotra sy nipotsaka tsindry hisitra, ka dia tsy tana intsony, ary nifatratra tamin’ny fiara tsy mataho-dalana “pick-up” marika “Range Rover” nifanena taminy. Potika sy voatsindry tanteraka tao ambany io fiara io, ka tao anatiny no nahafaty ny olona roa. Nivadika sy potika ihany koa ilay fiara lehibe ary maty ihany koa ny mpamily. Nampiasana fitaovana avo lenta mihitsy ny nisikotra ny razana izay potika sy toro tao anaty korotam-by. Ankoatra ireo namoy ny ainy dia nisy ihany koa ny naratra izay nentina notsaboina ao amin’ny hopitalin’Ambatolampy. Efa matetika isehoana lozam-pifamoivoizana manodidina ity toerana ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.