“Iray ao anatin’ny fahasamihafana”. Nanampy be dia be tokoa ireo ankizy manana fahasembanana eto an-drenivohitra ity tetikasan’ny Handicap International niarahany nanatontosa tamin’ny COPH sy novatsian’ny Vondrona eoropeanina sy ny Fondation Air France vola ity.
Ankizy sembana 200 mahery mantsy no nahazo fanabeazana amin’ny sehatra isan-karazany vokatry ny fiofanana nomen’ireo mpanakanto maro toy fikambanana tantsary, ny kaompania Lovatiana, Christian Salala ary Nantenaina. 12 volana no nifaneraseran’izy ireo izay nahitana vokatra mendri-piderana. Ankoatra ny sary hosodoko sy ny fahaizana mampiasa ny taratasy efa nampiasaina dia mahafolaka ny fitendrena mozika sy filalaovana tantara an-tsehatra ihany koa izy ireo, araka ny fampisehoana notanterahana tetsy amin’ny efitrano malalaky ny AFT omaly maraina. Aranty eny an-toerana hatramin’ny faran’ny volana kosa ireo asa tanana. Tratra ny tanjona nimasoan’ny tetikasa dia ny fampitomboana ny fandraisana anjaran’ireo ankizy tra-pahasembanana amin’ny tontolo manodidina azy. Nanamarika i Christian Salala, mpampiofana ny filalaovana tantara fa lasa mivelatra amin’ny fiarahamonina ireo ankizy noho ny fananany fahatokisan-tena izay nampitaina tamin’ny alalan’ny fampilalaovana azy ireo ny anjara toeran’ny olona salama ara-batana sy saina. Milaza ho mahita taratra ny fivelarana ara-tsain’ireo ankizy koa i Billy, mpampianatra soradihy. Ny dihy sy ny hira izay nambarany fa fomba mahomby indrindra amin’ny fanehoana aty ivelany ny ao anaty. Amin’ny 12 jona izao dia hisy ny fanatontosana hetsika ankalamanjana goavana izay anehoana ny talentan’ireo ankizy sembana etsy anoloan’ny Csb2 Namontana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.