Nahatsikaiky no sady nampalahelo ny zava-nitranga tetsy amin’ny fokontanin’i Manjakaray 2C, raha ny fitantaran’ny lehilahy 1 lasibatry ny vakitrano teny an-toerana.
Raha ny fanazavan’ity farany dia noho ny asa aman-draharaha sahaniny any Sambava ka ilana fivezivezena matetika dia mba napetrak’ingahirainy tamin’ny mpiray vodirindrina aminy ny fanalahidin’ny tokantranony. Tsy nampoiziny anefa ny zava-nitranga nony tafaverina satria dia efa tsy tao intsony ny “Ecran plat 49 pouces” sy ny “Machine à laver”. Sekreteram-pokontany moa ity nampiandraiketana ny fanalahidy ity ary nony tonga teny amin’ny fokontany ny raharaha dia izy indray no nandrahona sy nidingin-drambo nilaza fa hampiakatra raharaha, raha ny nambaran’ilay niharan-doza. Na izany na tsy izany moa dia nilaza ity lehilahy ity fa efa nametraka fitoriana eny anivon’ny fitsarana saingy menatra ireo tompon’andraiki-pokontany ao aminy kosa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.