Actualités

Sekoly tsy miankina Be no tsy mahaloa saram-pianarana


  • Zoma 11 Janoary 2013

Mitaraina ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina eto an-drenivohitra sy ny manodidina.

 Hatramin’ny omaly fahasivin’ny volana janoary mantsy dia vao ny ampahatelon’ny mpianatra no nahefa ny saram-pianarany volana janoary ho an’ny sasany, raha mbola azo isaina amin’ny ratsan-tanana kosa izany ho an’ny hafa. Noho ny fahalanian’ny vola nandritra ny fety, eo ihany koa ny mbola fiandrasana ny “avance” amin’ny tapak’ity volana ity, no antony tsy maharototra ireo ray aman-dreny, araka ny fanadihadiana natao ihany. Eo an-danin’izay anefa dia mahatsiaro ho lasibatra ny sekoly noho ny fandoavana ny hofantranon’olona, indrindra fa ho an’ireo mbola manofa raha eo ihany koa ny karaman’ny mpampianatra izay tsy azo atao ambanin-javatra ihany koa. Vokany, tsy vitsy amin’ ireo talen-tsekoly no manaiky mora foana ka voatery nanemotra ny daty tokony handoavan’ny mpianatra ny saram-pianarany hatramin’ny 15 janoary ho avy izao, raha ny 05 janoary lasa teo no tokony ho farany.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT