158 amin’izao fotoana izao ireo sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana tsy manana fahazoan-dalana hisokatra, raha ny fitsirihana nataon’ny avy eo anivon’ny ONEP na ny Ofisim-pirenena misahana ny sekoly tsy miankina eto Madagasikara farany.
Nivoaka tamin’ny sabotsy 4 febroary 2017 teo ny lalàna vaovao mikasika ny sekoly tsy miankina. Ny hisorohana ny fisian’ny sekoly tsy manara-dalàna no antony. Araka ny fampahafantarana nataon’ny ONEP dia efa miroso amin’ny fampanarahan-dalàna ny ankamaroan’ireo 158 satria dia ho henjana ny sazy miandry ireo mbola minia mibirioka, izany hoe : tsy maka ilay fahazoan-dalana hisokatra. Ankoatra ny tsy fanomezan-dalana ireo minia tsy manara-dalàna dia ny fampamerenana ny vola fisoratana anarana amin’ireo ray aman-drenin’ny mpianatra no sazy ho an’ireo sekoly tsy ara-dalàna.
Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.