Actualités

Sekoly mpanofana mpitsara Averina ny fanadinana noho ny kolikoly


  • Zoma 23 Febroary 2018

Foana ny fanadinana fifaninana hidirana ho mpianatra ao amin’ny sekoly ambony manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny fitsarana na ny ENMG natao ny 6 sy ny 7 febroary 2018 lasa teo.

 

 Haverina ny fifaninana, ary hampahafantarina atsy ho atsy ny daty hanatanterahana azy. Ny mpiadina efa voasoratra anarana ihany no afaka mandray anjara. Tsy mamerina manao dosie intsony ary tsy misy fisoratana anarana vaovao. Manan-kery ny fiantsoana teo aloha. Ezahina mba ho amin’ilay ivontoeram-panadinana teo aloha ihany no hanaovana ny fanadinana. Tsara hatrany ny mampahatsiahy fa efa nangataka ny hanafoanana ny fanadinana ny Vaomieram-pirenena momba ny fiarovana ny zon’olombelona na ny CNIDH noho ahiahy goavana momba ny kolikoly. Niditra an-tsehatra ihany koa ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara na ny SMM amin’ny tokony handravana ireo ekipa mpikarakara sy hananganana vaovao.  Efa niditra an-tsehatra tao anatin’ny raharaha ihany koa ny Bianco, ka nilaza tsy nisy fihambahambana ny fisian’ny kolikoly, ary manana porofo tsy azo ialana intsony. Sarotra ny hilaza aminareo hoe inona ilay porofo, fa matoa izahay nanao fanadihadiana dia manana porofo ary tsy azo iadian-kevitra, hoy ny Tale Jeneralin’ny Bianco Jean Louis Andriamifidy omaly. Izay no nangatahana ny hanesorana ireo tompon’andraikitra nikasa hanao kolikoly mba hisian’ny antoka hampangaraharaha ny fifaninana, hoy hatrany izy. Isan’ny efa noesorina ny Talen’ny raharaha ara-bola na ny DAF. Mangataka ny mpiadina tsy halaim-panahy amin’izany resaka kolikoly izany ny Bianco amin’ny famerenana ny fanadinana. Tsara ny manamarika, fa eo amin’ny 2000 mahery eo ireo mpiadina, izay nisy fitomboana mitaha amin’ny teo aloha. Azo ambara ho dingana lehibe izao, ary tsara tohizana amin’ny fifaninana ara-panjakana rehetra eto amintsika.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT