Actualités

Sekoly miorina tsy ara-dalŕna Hentitra ny fanaraha-maso ataon’ny Cisco


  • Alakamisy 12 Janoary 2017

Tsy mitsaha-mitombo amin’izao fotoana izao ireo sekoly tsy miankina vao misokatra nefa tsy manara-penitra.

Misy amin’izy ireny no tranon-drazana nohavaozina sady trano fonenana. Anisan’ny antony tsy mbola namoahan-dRakotozafy Ramasy Harisoa, lehiben’ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo Renivohitra taratasy fahazoan-dalana hahafahan’ny sekoly iray misokatra izany nandritra ny 18 volana naha voatendry azy teo amin’io toerana io. Tsy hataotao foana mantsy ny fananganana sekoly izay tena mbola mampiavaka anay sekolim-panjakana tokoa satria tsy maintsy manara-penitra ny fotodrafitrasa hampiasainay  raha ara-dalàna sy mazava ihany koa ny taratasy. Na izany aza dia tsy mitazam-potsiny ity tompon’andraikitra ity fa miezaka manao izay asa tafindry azy mba ho tombontsoan’ny zava-bahoaka. Anisan’ireny ny fanaraha-maso eny ifotony ireny  sekoly tsy miankina vao misokatra ireny. Ny tena mampalahelo  dia betsaka amin’ireo ray aman-dreny no tsy mahalala akory fa tsy ara-dalàna ireny sekoly hampianarany an-janany ireny satria dia alefan’izy ireo misoratra anarana any amin’ny sekoly hafa ny mpianany rehetra hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy ny BEPC. Nomarihiny moa fa eo an-dalam-panaovana tatitra amin’ny any ambony mikasika ireo sekoly tsy miankina tsy ara-dalàna ireo ny tenany ankehitriny miaraka amin’ny ONEP.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT