Actualités

Sekoly ISPM Maneho ny voka-pikarohany ny mpianatra


  • Alarobia 21 Jolay 2010

Toy ny isan-taona dia mikarakara «Salon de l’étudiant» ny sekoly ambony ISPM anehoany imasom-bahoaka ireo voka-pikarohan’ny mpianatra nandritra ny taona. Ao amin’ny Carlton no anatontosana ny hetsika mandritra roa andro nanomboka omaly.

Misy trano heva 150 hita ao an-toerana anehoan’ireo lalampiofanana 13 ny zava-bitany mampiavaka azy avy. Ny sehatry ny informatika tamin’ny alalan’ny fahavitan’ny mpianatra “logiciel” mamaky soratra sy ny fahafahana manamboatra fanafody avy amin’ny zavamaniry no miavaka amin’ity andiany ity raha ny nambaran-dRazanadrahety Aimée, tale misahana ny vola eo anivon’ny ISPM. Efa mahatratra 1500 moa ireo injeniera navoakany tao anatin’izay 17 taona niorenany izay ary misy amin’izy ireo no reharehan’ny sekoly mihitsy. Misy tamin’ireo voka-pikarohan’ny mpianatra mantsy no ahitana taratra ny fifehezana ny teknôlôjia sy azo ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro toy ny harona vita amin’ny plastika miaro ny tontolo iainana izay nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Fondation Tany Meva tamin’ny taona 2009.

Raha ny fanazavan-dRazanadrahety Aimée dia mirindra tsara ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa, banky ary ministera izay tsy misalasala mandray ny mpianatry ny ISPM mandritra ny fiofanana arakasa na koa hiasa mihitsy. Misy koa anefa ireo nanangana ny orinasany manokana. Laharampahamehan’ny sekoly ny fanarahana ny fenitra takian’ny asa sy ny lalàna ihany koa ka ao anatin’ny fikarakarana ny fahazoana ny “habilitation” sy ny “accréditation” ny ISPM ankehitriny. 
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT