Latsaka an-kady ny firenena noho ny fahapotehana ara-môraly, hoy ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny sekoly ambony Inspnmad.
Miezaka mamolavola mpianatra hiasa avy hatrany sy manaja ny lafiny ara-moraly izy ireo ho fitsinjovana ny manodidina. Tafiditra ao anatin’izany ireo mpianatra miisa 110 izay vao navoakan’ny Inspnmad Ambaranjana, andro vitsy lasa izay. Notolorana ny mari-pahaizana “Diplôme de technicien supérieur”, ny licence” , ny “maitrise” ary ny “masters” izy ireo nianatra nandritra ny roa taona ka hatramin’ny dimy taona nisandrahaka tamina lalam-piofanana roa dia ny gestion et administration d’entreprise sy ny droit et technique des affaires. Dimy avy tamin’izy ireo no nahazo ny mari-pahaizana master tamin’ireo lalam-piofanana roa ireo raha 51 kosa no nahazo ny licence. Afaka miatrika asa avy hatrany moa ireto mpianatra ireto no sady afaka miatrika ny fifaninanana anatiny sy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.