Am-polony ireo mpianatry ny sekoly IEF Accem notolorana loka sy fanomezana omaly maraina tetsy amin'ny Ekar Faravohitra.
Mpianatra afa-panadinana BEPC sy Bakalôrea farany teo avokoa izy ireo, notolorana vatsy entina miatrika ny taom-pianarana vaovao 2015-2016 indray. Fotoam-pivavahana lehibe nentina nisaorana sy nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra no nanokafana ny fotoana izay nentina nisantarana ny taom-pianarana vaovao ihany. Nambaran-dRazafimanantsoa Eliane talen-tsekoly nandritra izany fa hetsika efa fanaon'izy ireo isan-taona ny tahaka izao. Tsy diso anjara amin'izany ireo mpampianatra manodidina ny 12 isa nahavita be teo anivon'ny sekoly izay notolorana fanomezana ihany koa. Tonga nanokatra sy nanome voninahitra ny lanonana ny filoha mpanorina ny vondrom-panabeazana Aceem Ratrema William mivady izay notolorana amboara ihany koa. Tsiahivina moa fa mahatratra 550 ireo mpianatra eo anivon'ny sekoly IEF Accem ankehitriny.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.