Actualités

Sekoly frantsay Nohamafisina ny fiambenana


  • Zoma 20 Novambra 2015

Na dia navesatra sy nanahirana ny rehetra aza ny fisian’ilay asa fampihorohoroana nitranga tany Frantsa ny faran’ny herinandro teo dia tsy nisy fiantraikany loatra teto amintsika izany

 

, araka ny fanadihadiana natao tamina sekoly Frantsay vitsivitsy. Tokana ny fepetra niarahan’izy ireo nampihatra dia ny fampitomboana ny isan’ny mpiambina nanomboka ny alatsinainy teo ho fiarovana ny ain’ireo mpianatra. Raha iray teo aloha ny an’ny sasany dia nampitomboina ho roa izany...Toraka izany koa ny tsy fanovana ny mpaka sy mpanatitra mpianatra fa mijanona ho iray ihany. Efa fepetra niainan’izy ireo taloha ity farany fa nohamafisina fotsiny. Mikasika ny fikarakarana VISA Frantsay indray dia fantatra fa tsy nisy fiovana ihany koa izany. Toy ny teo aloha ihany ny fandraisan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny masoivoho Frantsay etsy Ambatomena ireo mila izany ary ao anatin’ny 48 ora dia mivaly raha feno tsy misy banga ny antontan-taratasy rehetra takian’izy ireo. Tsiahivina fa mbola mitohy hatrany ny fisafoana hataon’ny mpitandro ny filaminana eny anivon’ireo sekoly Frantsay ireny.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT