Niampy 200 mahery indray ireo tanora mpianatra nahazo ny mari-pahaizana Diplômes de technicien supérieur sy licence eto amintsika.
Mpianatra navoakan’ny sekoly ambony UPRIM izy ireo, taorian’ny nitokanana ny complexe universitaire etsy Andavamamba. Mitondra ny anarana Fanilo ireo 129 mianadahy nahazo ny mari-pahaizana licence raha Tafita kosa no anarana nisaloran’ireo 94 mianadahy nahazo ny Diplômes de technicien supérieur. Lalam-piofanana miisa efatra no narahin’izy ireo dia ny gestion et management, ny commerce et marketing, ny droit ary ny communication. Nampiavaka ireto andiany roa navoaka ireto raha araka ny fanazavan-dRandrianarisoa Rakotovoarison Nadia, tompon’andraikitra ao amin’ny sekoly ny fahafahan’izy ireo nikirakira ireo fitaovana tena raitra sy manaraka teknolojia avo lenta toy ny tableau interractif nandritra ny fiatrehan’izy ireo ny soutenance-ny. Efa nisokatra eo anivon’ity sekoly ambony iray ity ihany koa moa amin’izao ny lalam-piofanana mpampivelona sy mpitsabo mpanampy ka hisy ny fidirana vaovao ny 15 Aprily ho avy izao.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.