Taorian’ny fivoriana notanterahin’ny sekoly ambony Inspnamd teny Maibahoaka Ivato ny 28 ka hatramin’ny 30 septambra lasa teo nandinihina ireo paikady entina hanatsarana ny fampianarana dia hanatanteraka filankevi-pirenena ara-pedagojika indray izy ireo manomboka rahampitso alahady 8 novambra eny amin’ny Centre d’études et de recherches appliqués eny amin’ny Inspnmad Tsiadana.
Rafitra faratampony mamaritra ny politikam-pampianarana sy ny fikarohana ao anatin’ny vondrona izy io, hoy ny filoha mpanorina ny sekoly Razanadrakoto Roland Albert. Anisan’ny asa hatao ny normalisation, ny uniformisation sy ny standardisation, ny cours théorique, ny travaux pratique, ny stage, ny rechreches ary ny systeme d’évaluation miaraka amin’ny fanadinana. Mba hampanara-penitra ny fampianarana araka ny politikan’ny minisitera ankehitriny sy ny oniversitem-panjakana no tanjona izay hita fa mila fanamboarana noho ny fisian’ilay fandefasana mpiasa mankany ivelany iarahana amin-dry zareo Maorisianina ao amin’ny tobim-pitsaboana Clinique Fortis Darmé. Anisan’ny antony hanaovana io filankevi-pirenena io ihany koa ny hanaovan’ny sekoly ilay fanadinana nasionaly tokana hahazoana ny diplaomam-panjakana voalazan’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka farany teo. Hofaranana amin’ny fotoam-pivavahana lehibe ny hetsika ny zoma 13 novambra ka hanolorana ny « document cadre de comité national des directeurs » boky mirakitra ny fandaharam-pianaran’ny Inspnmad taona 2015-2016 sy ireo tompon’andraikitra vaovao hiasa ao anatin’ny vondrona.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.