Hiverina an-dakilasy indray ny mpianatra amin’ity herinandro ity, hanomboka ny telo volana faharoa.
Hisantatra ny azy anio ny mpianatra amin’ny sekolim-panjakana raha rahampitso ny an’ireo sekoly tsy miankina. Baraingo anefa ny zavatra mety hiseho eny anivon’ireo sekolim-panjakana satria dia milaza ireo mpampianatra mivondrona eo anivon’ny sendika SEMPAMA fa ho avy eny an-toeram-pianarana izy ireo saingy tsy hampianatra, ho fanehoana firaisankina amin’ny naman’izy ireo miisa 168 notapahan’ny ministera karama, hatramin’ny jolay 2012. Nampanantena ny minisitry ny fanabeazam-pirenena nandritra ny fanokafana ofisialy ny taom-pianarana 2012-2013 natao tany Toliara ny 16 novambra 2012, fa haverina ny karama ary hofoanana ny famindran-toerana. Hatreto anefa tsy niverina ny karaman’izy ireo, hoy ny fanamarihana nataon-dRaharovoatra Claude, filohan’ny SEMPAMA.
Nanamafy ity farany fa 168 ireo namany tapaka karama, nefa 160 ihany no re fa haverina ny karama. Amin’ireo vitsivitsy naverina indray anefa, araka ny fanamarihan-dRaharovoatra Claude ihany, dia karama iray volana, novambra, no nomena fa tsy hita ny karama enim-bolana. Sady tsy nisy krismasy no tsy nisy taom-baovao ny an’ireo mpampianatra ireo, hoy izy. Karama iray volana aza tsy mahatonga azy hatramin’ny farany volana akory, mainka fa fito volana tsy mandray karama, hoy hatrany ny filohan’ny SEMPAMA. Misy resaka alefa, hoy ity farany, fa tsy ho azo mihitsy ny karama volana jolay 2012, satria (hono) tsy niasa (PASS : en position d’absence sans solde) fa nigrevy. Tsy azo ekena izany, hoy Raharovoatra Claude satria fitakiana sendikaly hamerenana ny hasin’ny mpanabe no natao, ary zon’ny mpampianatra mpanabe izany.
Eo anatrehan’izany fitaka sy familafilana ary antsojay samihafa izany dia hanamafy ny tolona izahay SEMPAMA, araka ny dina velirano nifanaovana 5 volana lasa, ho fanehoana firaisankina amin’ireo tapaka karama ka dia tsy hisy fidirana ny 07 janoary ary tsy hisy hampianatra. Nambarany fa ho tonga eny an-toeram-pianarana izy ireo saingy tsy hampianatra. Renay hoy ny filohan’ny SEMPAMA fa ho henjana ny sazy hampiharina amin’izay tsy mampianatra fa manao garevy, nefa dia hatrehinay izany , toy izay efa natao tamin’ny 2012, ary tsy hihemotra izahay raha mbola misy ny tsindrihazolena atao amin’ny mpampianatra.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.