Actualités

Sehatry ny fambolena Ho avy ny traktera 1.000 avy any Inde


  • Alakamisy 27 Jolay 2017

Niverina indray ny fanafarana traktera tahaka ny efa nataon’ny fitondrana Ravalomanana.

Traktera 1.000 avy any Inde no ho avy eto Madagasikara ato ho ato mba ho fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena. Io no nivoitra nandritra ny fihaonan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina tamin’ny solontenan’ny minisitry ny fambolena Indianina sy ny delegasionina notarihany ary ny mpandraharaha avy amin’ny orinasa Farm Truck, teny Iavoloha omaly. Azo heverina ny mbola hampitombo io isa io raha ilaina. Horaisin-dry zareo Indianina an-tanana ihany koa ny fanamboarana sy fikojakojana ireo traktera efa azo teo aloha. Fa nifampiresahan’ny roa tonta ihany koa ny mety hananganana eto Madagasikara  orinasa iray goavana hanamboatra ireo piesy sy singa amin’ny fanamboarana traktera. Sady hanome asa izy io no hanamboatra ireo traktera mety amin’i Madagasikara sy ny teknikam-pambolena eto ihany koa. Hisy ny fiaraha-miasan’ireto mpandraharaha ireto amin’ny Exim Bank. Hanomboka amin’ny faran’ity taona 2017 ity ny fiaraha-miasa, hoy ny filoham-pirenena mba ho fitsinjovana ny taom-pambolena 2018. Nanatrika ny fihaonana ihany koa ny minisitra eo anivon’ny prezidansa misahana ny fambolena sy ny fiompiana, Rivo Rakotovao.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT