Actualités

Sehatra fampindramam-bola madinika Mitokona ny mpikambana ACOA Famonjena


  • Alarobia 15 Septambra 2010

Tsy niandry ela akory fa roa andro taorian’ny filazana fa hitokona ny mpikambana eo anivon’ny ACOA Famonjena Toamasina, dia raikitra izany ankehitriny.

Mirenty eo am-pidirana ny biraon’ity sehatra fampisamboram-bola madinika ity ny sorabaventy milaza izany.Raha nanontaniana ireo mpikambana dia ny tsy fahazoana ara-dalàna ny vola tahirin’izy ireo no anton’ity fitokonana sy fitakiana ataony ity. Teo aloha, hoy hatrany ireto mpikambana dia “nahazo vola ihany na kely tsy araka ny tahiry natao aza no azo fa ankehitriny tsy misy intsony izany na mitaky ny ahazoana izany izahay amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra izao”. Ny mpitantana ny ACOA Famonjena kosa raha nilaza ny antony dia nanambara fa “tsy izy ireo akory no tsy te hanome ny vola tahirin’ny mpikambana tao aminy, fa ny vola mihitsy no tsy ampy am-pelatanana. Nisy mantsy ny famonjena ara-bola ireo Ombon-tahiry namana tamin’ny fahasahiranany, nefa taty aoriana sady tsy namerina ny vola nindraminy ireo namana ireo no mbola nisintaka tao anaty vondrona ihany koa, ka nahatonga ny saritaka ara-bola”.

Nambaran’izy ireo hatrany koa fa “misy ihany ny vola tahiry saingy voageja eny amin’ny banky noho ny disadisa misy eo aminay sy ny OTIV namanay teo aloha ihany, ka na ny vondrona tokony hamaha izany eo anivon’ny banky foibe sy ny ministeran’ny vola sy ny tetibola koa aza miady sy tsy mifankahazo, fa miasa loatra ny resa-bola eo am-pamahana ny raharaha ka mikatso tanteraka”. Tsara marihana anefa fa tao anatin’izay telo taona tena nivakian’ny ady teo amin’ny ACOA sy ny OTIV Littoral izay, dia efa mahatratra 25 ny antontan-taratasin’ady nifanolanana sy didy nivoaka sy navoakan’ny fitsarana mikasika ny raharaha. Fa ny tena mahasadaikatra dia mpitsara ny fitsarana ambaratonga voalohany ihany no misahana ny raharaha nefa samy hafa hatrany ny didy mivoaka sy ny mahazo ny fandresena. Tranga izay manasarotra ny famahana ny olana hatramin’izao.

Nilaza ny tsy hitsahatra amin’ny fitakiany ireo mpikambana raha tsy efa mivaly ny fangatahany, ny fidiran’ny mpianatra rahateo efa antomotra, ny asa aman-draharaha nahatonga ny fanaovana tahiry teo anivon’ny ACOA anefa tsy maintsy atao, ary efa ho avy ny fotoam-panararaotana momba izany amin’izao ankatoky ny fidiran’ny mpianatra sy ny faran’ny taona izao. Mbola tantara mitohy ity raharaha ACOA/OTIV Littoral ity.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT