Tamin’ny fihaonana namorian’ny Lehiben’ny distrika ireo sefom-pokontany tany Morondava omaly alarobia 25 martsa, hoy ny tati-baovao nomen’ny depiote Mamod Ali Hawel avy any an-toerana, dia nnanome baiko ity olom-panjakana ity ny tokony hilatsahan’izy ireo ho HVM
. Hoesorina amin’ny toerany ireo sefom-pokontany tsy manaiky hiditra ao aminy. Efa nahazo fampitandremana ny sefom-pokontanin’Ankisirasira. Tsy niandry ela moa ity depiote ity fa nampita nivantana am-bava tamin’ny minisitry ny Atitany ny vaovao teny an-dalantsaran’ny Lapan’ny Antenimiram-pirenena Tsimbazaza omaly.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.