Actualités

Sefo distrikan’Ikongo Toherin’ny vahoaka ny fiverenan-dRavelomanjaka


  • Alatsinainy 13 Aprily 2015

Ny 26 martsa teo no nivoaka ny didy hitsivolana mamerina an-dRavelomanjaka eo amin'ny toeran’ny lehiben’ny distrikan’Ikongo indray ary manafoana ny fanendrena an'i Soavatsara Audrey Julie teo amin’io toerana io.

 

 Fantatra anefa fa efa naato tamin'ny asany tamin’ny volana oktobra  2014 ity Ravelomanjaka ity noho izy nandratra ny ben'ny tanànan'i Tolongoina, izay 78 taona, ka nivoa-dra mihitsy ny sofin’ity farany tamin’izany. Ankoatra izany  dia tsy nahazo tambin-karama mihitsy ny sefo fokontany 176 tamin'ny fotoanandro nitantanany. Ireo mpiasan’ny distrika dia zara raha nahazo karama tamin’izany. Ary ireo  “chefs de service" izay tompona  epi-bar dia manome vola an-tapitrisany azy ary rehefa misotro izy dia tsy manefa vola.  Vonona ny hidina an-dalambe ny olona hanoherana ny fiverenan'ity lehiben'ny distrika ity amin’ny toerany izao. Talohan'ny nifindrany tao Ikongo dia efa nenjehin'ny olona tamin'ny kalaza izy tany Anosibe an'Ala satria nihinana ny volan'ny Bekotro maroholatry ny 1947. Matoa moa izy tafaverina amin'ny toerany, hoy ny vaovao azo tany an-toerana, dia noho ny fahaizany nampanantena ny antoko HVM fa afaka mampandany ireo ben'ny tanàna mirotsaka amin’ny anaran’ity antokom-pitondrana ity izy raha miverina ao Ikongo. Malaza ho namana akaikin'ny vadin'ny PM moa ity Ravelomanjaka ity.

 

Ntsoavina Evariste 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT