Actualités

Secours islamique France Ireo traboina mody no nomena fanampiana omaly


  • Zoma 03 Aprily 2015

Mitohy ny asa fanampiana ireo traboina eto an-drenivohitra ataon’ny fikambanana Secours islamique France eto Madagasikara.

Omaly alakamisy dia fianakaviana 426 tao amin’ny fokontany Ampefiloha Ambodirano sy Antohomadinika IIIG Hangar no indray nizarany fanampiana ara-tsakafo. Vary 10 kilao, tsaramaso 5 kilao ary bodofotsy iray isam-pianakaviana no nomena azy ireo. Nambaran’ny mpiandraikitra ny fikambanana, Andriamanirimanasoa Holivero Lalaina, fa ireo miverina amin’ny trano fonenany ihany no nomena anjara omaly ho tohin’ny fanomanana ny fiverenany tamin’ny 18 martsa teo. Efa nahazo fitaovana sy kojakoja fampiasa amin’ny fanamboarana trano mantsy ny fianakaviana 26 avy tamin’ireo fokontany roa ireo hananganany ny trano hivantanany, nialoha ny nizarana fitaovana fanadiovana tanàna. Nomarihan-dRtoa mpiandraikitra fa efa nahatratra 225 tapitrisa ariary na 15.000 euros izao ny tomban’ny fanampiana nomena an’ireo traboina hatramin’ny fandalovan’ny rivodoza Chedza no ho mankaty.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT