Actualités

Seces Vita ny fitokonana miverina ny fampianarana


  • Talata 15 Septambra 2015

Efa nanomboka nianatra ireo mpianatra eny Ankatso omaly ka ny sampana fitantanana sy ny sampana haisoratra no nisantatra izany. Araka ny vaovao voaray kosa dia ny alakamisy 17 septambra izao no hivory ny eny amin’ny Polytechnique Vontovorana hamaritana ny fandaharam-potoam-pianarana.

 

 Amin’ny ankapobeny dia efa niravona ny disadisa teo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ireo mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Seces taorian’ny nahavitan’ireo sonia fanekena ny handoavana ny tambin-karaman’ireo mpampianatra amin’ny tetibola 2016. Ny eo anivon’ny sampana Seces Antananarivo no efa nanomboka niasa omaly fa ho an’ny Seces nasionaly kosa dia anio no hanaovan’izy ireo ny fanambarana ny hiverenan’ny fampianarana, araka ny vaovao voaray avy eny Ankatso. Mirindra sy milamina isaky ny faritany tsirairay kosa ny fiverenan’ny fampianarana avy eo.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT