Actualités

SECES Toamasina Mitohy ny grevy


  • Alakamisy 18 Novambra 2010

Tsy mety milamina ny olana vokatry ny fitakiana ny zo efa azon’ireto mpampianatra mpikaroka eny anivon’ny oniversite, ka anisan’izany ny ao Toamasina.

Nisy ny fivoriana nataon’ireto farany ny 15 novambra teo, nijerena ny tokony hatao sy ny fanohizana ny tolona iarahan’ireo namany SECES hafa ary nanapahan’izy ireo hevitra mifandraika amin’ny valin’ny fitakin’izy ireo momba ny zo efa mby an-tanana fa nalana taminy.

Araka io fivoriamben’ny SECES Toamasina io, dia nanapa-kevitra ireo mpampianatra mpikaroka ao Barikadimy, fa «mitohy ny tolona». Nohamafisin’ireto mpampianatra mpikaroka ao Barikadimy Toamasina ireto izany fa «mbola mitsahatra avokoa ny fampianarana sy ny fikarohana ary ny fanadinana rehetra eo anivon’ny oniversiten’i Toamasina raha tsy azo sy tanteraka ny zavatra ambaran’ireo didim-panjakana 2009/1214 sy ny 2009/1215 ary ny 2009/1216 momba ny tombontsoa manokan’ny mpampianatra mpikaroka». Tsy nisalasala koa anefa ireto mpampianatra SECES ireto nilaza mazava fa «ny tsy famalian’ny fanjakana sy ny ministera tomponandraikitra ireo rehetra ireo, dia mety ‘hiafara amin’ny taona fotsy ny oniversite’ izany ny raharaha, satria hitohy tsy mijanona ny tolona sy ny fitakiana ataonay».
 
Misaritaka noho izany ny tontolon’ny oniversite ao Barikadimy, tsy hain’ny mpianatra intsony ny atao. Efa miezaka ny mifampihaona amin’izay fepetra horaisiny koa izy ireo mpianatra, ka mety hangotraka indray izany ny ao Mangarano II misy ny oniversite aorian’ity fitsapan-kevi-bahoaka ity.
 
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT