Actualités

Seces Hiverina hampianatra


  • Zoma 24 Aogositra 2012

« Ahantona aloha ny fampitsaharana ny asam-pampianarana manerana ny oniversite enina eto Madagasikara”. Io no votoatin’ny fanapahan-kevitry ny sendikan’ireo mpampianatra eny amin’ny ambaratonga ambony mivondrona ao amin’ny Seces omaly.

 Araka ny fanazavana dia efa nisy ny dinika tamin’ireo ambaratongam-pahefana nanomboka teo amin’ny ministeran’ny fampianarana ambony, nandalo tamin’ny minisitry ny vola, ny praiminisitra ka hatrany amin’ny filohan’ny tetezamita. Araka izany dia hitohy ny fampianarana sy ny fifampidinihana. Izao fanapahan-kevitra izao no noraisin’ny Seces, araka ny fanazavana dia ho fitsinjovana ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony sy ireo raimandreny, eo koa ny hametrahana fitoniana amin’ny fifampidinihana ataon’ireo mpampianatra hitadiavana vahaolana maharitra ho an’ny ambaratonga ambony. Efa am-bolana maro moa ny Seces no nitaky tombontsoa sy zo ary dia saika taona fotsy iny taom-pianarana iny. Iaraha-mahalala ihany koa fa rehefa tonga eo anivon’ny fiadidian’ny tetezamita ny raharaha sendikaly toy itony dia saika milamina vetivety avokoa.

Nangonin’i Soa 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT