Actualités

SECES Antananarivo Miantso ny rehetra hamongotra ny jadona


  • Alakamisy 03 Mey 2018

Nanamafy ny fitakiany ny fialan’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, tetsy amin’ny oniversiten’Antananarivo Ankatso omaly ry zareo avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na ny SECES, sampana Antananarivo.

 

 Raha tsy miala ny filoha, hoy izy ireo, dia tsy afaka ny hiroso amin’ny fifampidinihana sy ny fampihavanam-pirenena tena izy ny Malagasy. Mitaona ny rehetra ny SECES mba hifanampy hamongotra ny fahalovana, ny jadona, ny fivarotana tanindrazana ary ny tsimatimanota. Manainga ny rehetra hanao andrimaso ihany koa moa izy ireo ka hanampy ny mpitandro ny filaminana hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny eto Madagasikara ary nanamafy fa ela izao vao mba misy mpitandro ny filaminana miezaka miaro ny vahoaka sy ny fananany. Arovantsika miaraka, hoy ny SECES, ny fananam-pirenena, toy ny banky foibe sy ny ladoany, ny seranan-tsambo ary ny seranam-piaramanidina sy ny harem-pirenena rehetra mba tsy hanaovan’ny sasany tantely afa-drakotra. Mankasitraka ny ezaky ny fiadidiana ny oniversite amin’ny fiarovana ny tanin’ny anjerimanontolo koa moa izy ireo ary manameloka ny fandravana tamboho izay nitranga. Miantso ny tompon’andraikitra rehetra izahay, hoy ny SECES, handray ny andraikiny.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT