Actualités

SECES Antananarivo Fantatra amin’ny alarobia ny tohin’ny hetsika


  • Zoma 03 Desambra 2010


Nivory teny Ankatso ireo mpikambana ao amin’ny sendikan’ny mpampianatra omaly. Fotoana izay nanaovan’ny birao tatitra momba ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny besinimaro nandritra ny filankevitra nasionalin’ny SECES toy ny fangatahana ny fampiharana ny didim-panjakana mamaritra ny tombontsoan’ny mpampianatra mpikaroka sy ny tambikarama noho ny fikarohana ataony. Io fotoana io koa anefa no namelabelarana tamin’ireo namana ny fihaonan’ny birao tamin’ny vaomiera misahana ny fanabeazana eo anivon’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita. “Andrasana izay tohiny izany fa raha ny tokony ho izy dia mandalo eny amin’ny birao maharitr’ity andrimpanjakana ity ny fangatahan’ny SECES ary avy eo dia dinihana mandritra ny fivoriam-baomiera na koa ny fivoriana azon’ny daholobe atrehana. Ny tanjona moa dia ny hankatoavan’ny Filankevitra Ambonin’ny Tetezamita ireo fitakiana ka hahazoanay azy ireo ao anatin’ny tetibolam-panjakana 2011”, hoy Rasoamiaramanana Armand, filohan’ny “Direction collégiale SECES”.

Efa miomana amin’ny fanohizana ny tolona koa anefa ny mpampianatra mpikaroka raha tsy mahazo rariny amin’io dingana nataony io ka ny alarobia izao dia hanatontosa ny “Andron’ny sendika” eny Vontovorona. Amin’io no anapahan’ny sampana SECES Antananarivo izay hetsika hanohizana ny tolona raha ny fanazavan-dRasoamiaramanana Armand hatrany. Mandrapahatonga izay anefa dia mbola miato avokoa ny asa rehetra momba ny fampianarana. 

Sary : Mangadihady eny Ankatso amin’izao fotoana
 
Yves
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT