Ny sehatry ny fotodrafitrasa, indrindra fa ny fanamboaran-dalana no tena voa mafy noho ny fanapahan’ny Vondrona Eoropeanina ny famatsiam-bolany eto amintsika, ka nampihatoana ilay Tahiry eoropeanina momba ny fampandrosoana andiany faha-10 (FED 10).
Bolongam-bola hatrany amin’ny 588 tapitrisa euros no tokony ho azon’i Madagasikara tamin’ny alalan’ity FED andiany faha-10 ity, izay marihana ihany fa noho ny fahitan’ny Vondrona Eoropeanina ny fivoarana sy fomba fiasa manara-penitra nataon’ny fitondrana Ravalomanana no mbola nahazoantsika azy. Natokana ho amin’ireo tetikasa fanamboaran-dalana goavana ny 40%-n’io vola io, izany hoe ny 235 tapitrisa euros. Ahiana, araka izany, ny tsy ahavita intsony ny lalam-pirenena faha-13 mampitohy an’i Tolagnaro (Anosy) amin’i Ihosy (Ihorombe), izay anisan’ireo tetikasa goavana napetraky ny fitondrana teo aloha ary efa nampanantenaina ny mponina tany amin’izany faritra izany fa tsy maintsy ho vita. Mety hiato ihany koa ny fikojakojana sy fikolokoloana ireo lalam-pirenena hafa, satria tsy haharaka izany intsony ny vola azo avy amin’ny FER na Tahiry ho fikojakojana ny lalana. Milaza anefa ny fitondrana tetezamita fa hiezaka ny hamita hatramin’ny farany, ihany ireo tetikasa efa natomboka na nambara fa tsy maintsy atao, amin’ny vola eo am-pelatanany.
Tsara ho marihana ihany fa ny Vondrona Eoropeanina, ankoatra ny Banky iraisam-pirenena no mpamatsy vola be indrindra an’i Madagasikara, tao anatin’ny 6 taona momba ireo tetikasa fanamboaran-dalana, izay fandaharanasan’i Marc Ravalomanana ary nentina nandresena lahatra ny Vahoaka malagasy, in-droa miantoana ny taona 2001 sy 2006, nandritra ny fampielezan-keviny. Fanamby napetraka tamin’izany fotoana ny hampitohy ny tendrony farany avaratra amin’ny Nosy, amin’ny tendrony farany atsimo, ary mandalo eto Antananarivo. Efa vita ny lalana mampitohy an’Antananarivo amin’Antsiranana, torak’izany ihany koa ny lalana Sambava – Antalaha ; ny ampahany betsaka amin’ny RN7, miavaka amin’ireny ny nahavitana ny lalana eo an-tampon’Ihorombe. Manampy ireo rehetra ireo ny famoronana lalam-baovao teto an-drenivohitra mba ialana amin’ny fitohanan’ny fiara lava, sy hanamorana ny fifandraisan’ireo lalam-pirenena (RN2 sy RN7). Vita hatreo aloha izany ny resaka fanamboaran-dalana satria tapaka ny famatsiam-bola ary hanano sarotra ihany ny famerenana azy. Ny tena ho loza dia hitarika fahaverezan’asa maromaro ihany izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.