Taorian’ny savorovoro nahafatesana tovolahy iray mpianatry ny oniversiten’Antsiranana ny talata 27 aprily 2010 dia fantatra izao fa polisy roa ao Antsiranana no nandefasana maika tapakilan’ny fiaramanidina ny sabotsy 01 mey teo, hiakaran’izy ireo eto Antananarivo.
Tsy fantatra mazava ny antony, saingy tombanan’ny maro fa hanaovana fanadihadiana mikasika iny savorovoro iny. Ny Minisitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, Tongavelo Athanase, raha nanazava tao amin’ny radiom-pirenena ny alin’ny alahady 02 mey teo, dia nilaza fa toto vodibasy no nitarika ny fahafatesan’ity mpianatra ity. Olivier Ninjaka, no anarany, taona voalohany ao amin’ny lalam-piofanana fizika izy ary avy any Antalaha no fiaviany. Etsy an-daniny dia nanamafy i Tongavelo Athanase fa efa an-dalana ny fanadihadiana mikasika iny raharaha iny, koa dia hiharan’ny sazy izay nandika lalàna. Araka ny nambarany dia tsy haharitra fa hatramin’ny rahampitso alarobia 05 mey izay hahafantarana ny valin’ny fanadihadiana. Etsy an-kilany dia mbola tsaboina any amin’ny hopitaly be Antsiranana avokoa hatramin’izao ireo olona enina mianaka, ka mpianatry ny oniversite ny iray, naratra nandritra ny tifitra nataon’ny Polisin’ny FIP (Force d’Intervention de la Police) ao Antsiranana tamin’ny fotoana nanateran’ny mpianatra an’arivony ny nofo mangatsiakan’i Ninjaka tany amin’ny Gare Routière hihazo an’Antalaha.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.