Ny valandresaka nataon’ireo mpitandro ny filaminana mikasika ny asan-dahalo any atsimo, ny nitazonana am-ponja ny Tangalamena Zakariasy Patrick no anisan’ny nisongadina tamin’ireo lahateny tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly.
Niray feo ireo nikabary fa tsy nahatontosa ny iraka nampanaovina azy ny hery manokana ka nanilika andraikitra tamin’ny filoha Ravalomanana sy ireo olon-kafa. Teo ny fiezahana nanadio tena satria hitam-poko hitam-pirenena fa vonomoka no natao ny vahoaka tany, hoy Nojinco. «Nivalana ny resaka nataon’ireo mpitandro ny filaminana», hoy ny CT Radert Didier avy any Vakinankaratra satria efa mananontanona ny fodian’ny filoha Ravalomanana ka dia avondrona aty an-drenivohitra ny hery rehetra. Resaka marivo tototra no ataonareo, hoy kosa ny CT Justin avy any Toamasina. “Hadinina aminareo ny ran’ireo Malagasy ireo”, hoy izy nanamafy. Niverina ny tamin’ny andron’ny vaomiera manokana misahana ny fanadihadiana na ny CNME izay nandrangarangan’i Lylison sy Charles Andrianasoavina ny fifofoana ain’olona, hoy i Raveloson Constant. Nanambara ireo iraka tany Atsimo, hoy izy fa vita 90% ny asa kanefa tsy azo Remenabila. “Fiaikena an-kolaka ny tsy fahombiazana ireny”, hoy ihany ity mpanao politika ao amin’ny Mafana ity.
Ho an-dRalaiseheno Guy Maxime indray dia tsotra ny resaka. “Mialà zandary dia manaova politika”, hoy izy. Nambarany koa fa dia nilavo lefona ireo iraka fa tsy voasambotra i Remenabila ary dia nokobokobonin’ny marina ka nilaza tsy nanontaniana ireo iraka tany ka manilika ny tsy fahaizana amin’ny hafa. Nitondrany fanazavana koa ny momba ny nananganana ny valabe tamin’ny fitondrana Ravalomanana. Ny valabe, hoy izy dia fandaharan’asa tao anatin’ny Madagasikara Amperin’asa. Nahafahana nanisa ireo omby, nanome lanja ireo mpiompy ary namerana ny halatr’omby, ka nahazoana nifehy ny fivezivezen’ny omby. Tamin’ny taona 2002 ihany koa, araka ny fanazavana no namoahana didim-panjakana niraisan’ireo ministera fa nofoanana ny fanondranana omby saingy ny taona 2011, naha-minisitra an’i Bary Rafatrolaza izay nisintaka tamin’ny ankolafy Ravalomanana no namerenan’ny governemanta Camille Vital izany fanondranana omby izany ary dia natsahatra tanteraka indray izany raha vao niditra tao i Ihanta Randriamandrato, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.
Momba ny raharaha famonjana ny Tangalamena Zakariasy Patrick kosa indray dia tetika maloto hampiadiana foko io, hoy i Zafilahy Stanislas. Tato anatin’ny andro vitsivitsy izao, hoy izy dia nezahina ny nandranitra izay adim-poko izay noho ny fahitan’ny sasany fa efa tsy tafa intsony raha tsy misy misy izay adim-poko izay. Nakorontana aokoa, hoy ny filoha lefitry ny Kongresin’ny tetezamita na ny teny Ankatso, na ny tany Antsiranana, na ny tany Toamasina, saingy ny Malagasy tsy ho azo amin’izany intsony, hoy i Zafilahy Stanislas. Nambarany fa efa mivory avokoa ny Tangalamena rehetra amin’izao fotoana izao sy ireo rehetra manana Olobe hijery izay fanapahan-kevitra horaisina. Ho hita eo, hoy izy fa ny fantatra dia may ny afo natsangany ny FAT. Ankoatra izay dia nametra-panontaniana ny CT avy any Antsirabe satria dia anisan’ny dosie nihazakazahana ny dosie Zakariasy kanefa dia nitovy tsy nisy valaka tamin’ny fitoriana nataon’ny profesora Zafy Albert izany. Izao ve no fanovana, hoy i Nojinco avy amin’ny ankolafy Zafy. Izay milaza ny marina ve izany dia ho gadraina avokoa, hoy kosa ny CT Justin ka iza intsony no hijoro eto amin’ity firenena ity ?
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.