Actualités

Savorovoro ao amin’ny Croix Rouge Malagasy Mety hangorona entana ireo mpiara-miombon’antoka


  • Alakamisy 03 Jona 2010

Nahazo fahafahana vonjimaika teo anatrehan’ny fitsarana ireo mpitantana ny Croix Rouge Malagasy mirahalahy dia ny filoha nasionaly sy ny sekretera jeneraly izay voampanga amin’ny raharaha fanodinkodinam-bola miampy fanaovana hosoka ary fanapariaham-pahefana araka ny fitoriana napetraky ny filohan’ny Croix Rouge any amin’ny faritra Sofia.

Ny zoma lasa teo no nivoaka ny didim-pitsarana saingy raha ny fanazavan’ireo voampanga dia mbola handalo eo anatrehan’ny mpitsara mpanao famotorana izy ireo hiatrika ny fanadihadiana ifotony amin’ny andro izay tsy mbola voatondro. Ho an-dRakotondranja Claude, filoha nasionalin’ny Croix Rouge Malagasy dia fanosoram-potaka azy ireo ity raharaha ity saingy tsy hamaly ilay mpitory azy sy ny mpiara-miasa aminy ny tenany noho ny fitsipi-pitondrantena mifehy ny asany. “Raharahan-tokantranon’ny Croix Rouge izy ity izay tokony ho nalamina tato anatiny kanefa izao miely eny amin’ny fitsarana izao”, hoy izy. Nomarihiny moa fa mpiasa teo aloha teo anivon’ny Croix Rouge ihany ny mpitory.

Manahy ny hisian’ny fiantraikany ratsy amin’ny asa aman-draharaha sahanin’ity fikambanana mpanao asa soa ity koa Rakotondranja. Ho sarotra, hoy izy ny fandresen-dahatra ireo mpiara-miombon’antoka mba hanohy hatrany ny fanampiany manoloana izao disadisa manala-baraka ny Croix Rouge izao. “Tsara ny vokatra nandritra izay 4 taona sy tapany nitantananay izay ary natoky ireo mpiara-miombon’antoka 7 saingy ahiana hangoron’entana izy ireo ankehitriny noho ity raharaha ity”.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT