Tontosa ny alakamisy sy ny zoma teo tao amin’ny Lapan’ny tanàna Toamasina ny atrikasa fakan-kevitra sady fanomanana ny sata hifehy ny mpanao gazety.
Ireo mpanao gazety tao anatin’ny faritany Toamasina no nakana solontena niatrika izao, ka voasolotena avokoa ny Faritra telo dia Alaotra Mangoro, Analanjirofo ary Atsinanana. Miara-misalahy hatrany amin’ny ezaka fanitarana sy fikatsahana ny hahasoa sy hampivelatra ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ny Holafitra izay nosoloan’ny sekretera jeneraliny tena. Navitrika ny mpandray anjara tao Toamasina satria niaraha-nahita sy nahalala ny soso-kevitra mifandraika amin’ny fananana ny fahaiza-manao sy ny fahafantarana koa ny sata mifehy ny asa. Ho an’ny Profesora Rabaovololona izay nitarika ny dinika tamin’izao dia nazava be ho azy fa tokony hahay hiasa sy hisehatra ny fomba manara-dalàna ny asa fanaovan-gazety amin’izay ny mpanao gazety Malagasy satria efa tena mivelatra amin’ny fisokafana amin’izao tontolo izao isika Malagasy.
Jean D
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.