Actualités

Sary sy horonantsary mamoafady Mbola hisy mpanao politika ho lasibatra …


  • Sabotsy 31 Martsa 2018

Miha mahazo vahana tanteraka amin’izao ny famoahana sary mamoafady hoenti-manala baraka olona ambony, mpanao politika, mpandraharaha, mpanakanto …

Tsy mahafay ny rehetra ny efa nanagadrana ny mpanakanto iray, ny nisamborana ny mpikirakira tambajotra fesiboky iray teny Itaosy satria naniratsira ny filoha tamin’ny alalan’ny sary tsy mendrika. Malaza sy lasa resabe hatramin’izao ny momba ny fivoahan’ny sarina depiote vehivavy iray niboridana. Miray hina manameloka ny fanaparitahana ny sarin'izy io ny eny amin'ny Antenimieram-pirenena. Tsy mifanaraka amin'ny soatoavina Malagasy ireny, hoy ny filohany Jean Max Rakotomamonjy. Voararan'ny lalàna ihany koa ny fanohintohinana fiainana manokana, toy ireny. Zary lasa fitaovana politika ny fesiboky eto amintsika, saingy tsikaritra ho maivana ihany ny fandraisan’andraikitra, indrindra fa ireo olona tsy dia mitovy firehana amin’ny mpitondra no lasibatra. Raha izao fizotry ny tantara izao, mbola ho maro ny zavatra fanaon’ny olona ambony sy mpitondra ho vaky bantsilana ato ho ato, ary ho lasa fitaovana hifanapotehana mihitsy izy ity. Akaiky rahateo ny fifidianana ka maro ny afera mety ho vaky hoenti-mifamotika. Maro amin’ny mpanao politika eto amintsika ihany koa anefa no be revy sy mety hanana fitondran-tena tsy mendrika, ary mbola betsaka ny sary sy horonantsary mamoafady any ho any amin’izao fotoana, mety ho vaky bantsilana atsy ho atsy. Fiainana manokana ireny, saingy ilaina ihany koa ny mitandrina, indrindra amin’ny maha olona ambony sy manampahefana mba tsy hahitan-doza.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT