ny FFKM fa misy te hanakorontana…
Andinin-tSoratra masina 3 samihafa no nanatsoahan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny lahateny fohy izay nataony manodidina ny fanavaozana ny fomba fiasa sy ny fanovana ny toe-tsaina manao kolikoly, nandritra ny fotoam-panokafana tamin’ny alalan’ny fiombonam-bavaka ny fanombohan’ny fanamarihana ny datin’ny 14 oktobra any Antsohihy. "Ny tena kristianina dia manaraka lalàna, fa izay no lalàna. Mila tonga saina amin'io toe-tsaina tia kolikoly io nefa ny ankamaroan'ny Gasy dia mipetraka anatin'ny fotaka sy rano maloto", hoy ny PRRM. Hentitra ny tenany nitondra hafatra mafonja ho an’ny mpiasam-panjakana. « Miovà, fa raha mbola tsy tonga saina isika mahita ny vahoaka Malagasy mahantra eran’ny lalana io hoe izaho tsy manao ny asako no mahatonga an’izao, dia mandiniha tena », hoy ny PRRM Kolonely Randrianirina Michael. Niantso fihavaozana eo anatrehan’ny fitiavana kolikoly, fanambakana vahoaka,… toy ny fihetsika miedinedina kanefa ny 80% amin’ny Malagasy miaina ao anaty fotaka sy rano maloto, ka mba milatonga saina, araka ilay hoe : « indro havaoziko ny zavatra rehetra ». Nandritra io ihany koa no nankaherezany ny FFKM, ka nilazany fa efa mandeha ny fikaonandoham-pirenena, efa ao anatin’ny fanofanana ireo mpampiofana, ka aorian’izay dia tena miditra lalina miainga any ifotony. Nampahatsiahy ny tenany ny nambarany tany aloha, fa tsy ho mora ny zavatra miandry ny FFKM,… «Misy te hanakorontana, misy te hanao fanambarana etsy sy eroa, mba hisian’ny « dialogue politique », ka tsia tompoko », hoy izy nampahatsiahy fa tsy olana politika fotsiny no natrehana teo fa olana ara-tsosialy. Nanamafy fa vonona hanohana sy hanampy tosika ara-bola ny asa izay sahanin’ny FFKM ny Filohan’ny Fanavaozana. Maro ny fandaharam-potoana hatrehany any amin’iny tapany avaratra iny, ka ny lehibe indrindra dia ny fanamarihana ny 14 oktobra anio.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.