Actualités

Sarimbavy roa niady tovolahy teny Analakely Nifampitolona nigagam-bahoaka


  • Talata 10 Martsa 2015

Mihavery ny soatoavina malagasy ! Aretina sa rendrarendra sy fombam-piainana tarafina amin’ny fombam-bazaha vokatry ny fanatontoloana misy ? Ny alahady antoandro teo, tetsy Analakely, sarimbavy roalahy samy mbola tanora (25 taona eo avy raha

 

tombanana) no nifandramatra niady sipa (tovolahy sahabo ho 20 taona) sy nifanala baraka imasom-bahoaka tsy nahalala menatr’olona intsony. Nisakafo tamina trano fisakafoanana iray teny an-toerana ny pelaka iray niaraka tamin’io tovolahy io. Niditra tao amin’ity hotely ity ilay sarimbavy faharoa (ankeviny efa nanara-maso azy ireo), ary nolazain’ity nitsongo dia fa mangalatra ny olon-tiany izay andaniany volabe iry voalohany.

Nifamono, tsy nahalala menatr’olona intsony

Tsy nijanona tamin’ny fifamaliana am-bava ny adin’ireto pelaka mpirafy, fa niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana, rehefa taty ivelan’ilay hotely. Gidra tsy nisy toy izany, hoy ireo nanatri-maso. Ny vava vaky nivoa-dra ary rava hatramin’ny tsena, satria vory ny olona nijery nijery ny zava-nisy, sady ireo mpivarotra tsy lavitra teo nihorakoraka, ka nanaitra ny mpandalo. Ilay tovolahy niadiana kosa gina tsy nahateny, fa nandeha moramora niandry sy nitazana tery am-pita, hita ho menatr’olona.

 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT