Actualités

SARDINES MANKARARY


  • Alarobia 13 Desambra 2017

Mitombo isa hatrany ny olona naiditra hopitaly vokatry ny fihinanana Sardines misy poizina tao Antsiranana. Valo, raha araka ny tarehimarika ofisialy,


no namoy ny ainy ary 34 kosa ny mbola tazomina ao amin’ny toeram-pitsaboana. Nisy ihany ny efa nody kanefa mbola misy olona tonga hatrany hatramin’ny omaly mba hitsabo tena. Tsy fanajana ny vanim-potoanan’ny jono izay manomboka ny novambra ka mifarana ny aprily no isan’ny antony mitarika ny loza toy izao.


VARY SIMBA TOAMASINA

 

Voatery nahemotra anio ny fanolorana ny fampanoavana ireo pakistanais telo lahy tompon’ny orinasa « Moto commodities » sy « White race ». Ny antony dia satria tsy maintsy nanatrika ny fandorana ny ampahan’ireo vary lo izay namidiny izy ireo raha araka ny lalàna manan-kery, ary miaraka amin’ny manam-pahefana. Vita omaly avokoa izany fandorana izany ary anio izany no hiakatra fampanoavana ireo pakistanais manapoizina ny gasy amin’ny zavatra amidiny ireo.

 

ASAN-JIOLAHY


Olona iray no maty voatifitry ny jiolahy tao Mahabo ny alin’ny alatsinainy teo. Mpivarotra ny asany. Sady voan’ny bala izy no voafira famaky ihany koa. Nikoropaka ny iray tanàna ary hatramin’ny radio aza dia nanao antso avo ny mba hifanampiana mba hiadiana amin’ireo jiolahy. Tsy nisy tratra na izany aza ireo mpanafika. Matahotra ny olona ankehitriny satria mbola misy naman’izy ireo mivezivezy lava ao an-tanàna, toy ny mikononkonona fanafihana hafa, kanefa tsy misy porofo mivaingana hitazomana azy.

 

FAHATAPAHAN-DRANO


Mitaraina ny olona ao Toliara noho ny fahatapahan’ny rano efa andro vitsivitsy izay. Raha 600m² isan’andro ny filàn’io tanàna io dia tsy maharaka afa-tsy 260m² sisa ny vokarin’ny Jirama. Vokatry ny fahanteran’ny fitaovana izay mbola misy simba ihany koa folo andro lasa izay no antony nitarika ny fahatapahan’ny rano, raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Milahatra ny olona eny amin’ny paompy ary vidiana lafo ny rano iray « bidon » tato ho ato. Toliara izay tena mila rano betsaka noho ny toetr’andro izay mafana lava.

 

SAMBAVA

Lahiantitra 60 taona voaroba, ka lasa ny vola 60 tapitrisa. Tao anatin’ny 20 andro no nandamaka am-pandriana, ka izao vao manomboka tafarina i Be Georges avy ao Anjagnoveratra. Nisy nandroba izy raha handeha hividy omby tao Ampondra Vohémar ny 21 novambra 2017 lasa iny. Niezaka nanohitra ny hanomezana ny kitapony feno vola izy. Tamin’izay indrindra no nampiharan’ny mpandroba ny habibiany ka nisy fiantraikany tamin’ny vanintaolany. Tsy mbola hita hatramin’izao ny nahavanon-doza. Tovolahy tokony ho 20 taona izy io, fotsy fihodirana ary lava. Tadidiko raha mifanena amiko, hoy izy. Vola 3.000.000 Ariary no efa lany tamin’ny fitsaboana azy noho hetraketraky ny mpanao ratsy

 

FISOTROAN-DRONONON’NY DEPIOTE


Nolavina teo anivon’ny filankevitry ny governemanta omaly ilay volavolan-dalàna mahakasika ny fisotroan-drononon’ny solombavambahoaka. Rava hatreo izany ny fikasan’i Jao Jean sy ny mpanara-dia azy. Amin’ny olom-pirenena tsotra dia miendrika fitiavan-tena diso tafahoatra satria ny olom-boafidy dia mandalo fotsiny ihany eo amin’ny toerany fa tsy mijanona mandrakizay akory. Dikan’izany, amin’ny asany hafa izy no tokony hahazo fisotroan-dronono fa tsy amin’ny maha olom-boafidy azy.

FAMPIDINANA NY SANDAM-BOLA

 

Diso tanteraka ny paik’adin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny fampidinana ny sandam-bola malagasy mba entina hampiroboroboana ny fanondranana entana, hoy i Marc Ravalomanana. Mainka koa izany mampidina ny toekarena izay tena efa latsaka an-katerena ankehitriny. Nomarihiny koa fa mila ampiana ny masoivohon’i Madagasikara any ivelany raha te-handroso haingana amin’ny fikarohana fiaraha-miasa sy hampirarakopana ny fanampiana ny firenena mba hanarenana azy maika.

 

FAMPINDRAMAM-BOLA MADINIKA

 Feno ny olona izay tsy mahaverim-bola eny amin’ireny orinasa fampindramam-bola madinika ireny. Feno torak’izany ihany koa ny raharaha izay voatery miakatra fitsarana noho izany antony izany. Mahantra ny olona ary matetika ny vola izay hindramina dia entina hamelomana fianakaviana fa kosa tsy hahodina mba hitombo.

 

MPAKA AN-KERINY

 

Nitsoaka ny fonja tao Ambatolampy, niriaria erak'i Madagasikara ary mandeha fiaramanidina kanefa olona namoahana didy fampisamborana. Voasambotra tao Mahajanga i Nônô, anisan'ny atidoha nikotrika ny fakàna an-keriny an'i Annie sy Arnaud tamin'ny 2016. Efa voasambotra im-betsaka izy talohan'izao fa votsotra foana na tafavaoaka ny fonja mora foana. Niainga tany Sambava ny fanenjehana azy ary tonga hatrany Mahajanga, tao amin'ny trano iray tao Amboromalandy.

 

FITSARANA

 

Nidoboka am-ponja eny Tsiafahy ilay lehilahy nangalatra dosie tao amin'ny fitsarana. Avy amin'ny alalan'ny kaonty facebook fampiasany no nahafantarana azy ary nisamborana azy teny Itaosy.

 

TARIKA NJAVA

 

Roa andro dia lany ny tapakila amin'ny fampisehoan'ny tarika Njava amin'ny 15 sy 16 desambra hoavy izao etsy amin'ny IFM. Efa am-polony taona no tsy nanao fampisehoana niaraka intsony ireto tarika malagasy izay monina any an-dafy ireto ary nanaitra ny mpakafy ny fisehoany tampoka eto Antananarivo.

 

FAMPIDIRANA VOLA VAHINY 

 456 tapitrisa dolara ny vola vahiny nampidirin’ny lavanila teto Madagasikara tao anatin’ny 9 volana ho an’ity taona 2017 ity, raha toa ka 180 tapitrisa dolara tamin’ny 2016. Nihatsara ny toeran’ny ariary hatramin’ny volana septambra. Anisan’ny mampilatsaka azy kosa ny fanafarana entana lava avy any ivelany. Na misy aza, ohatra, ny kafe eto Madagasikara dia mbola misy ireo mpandraharaha vahiny na teratany mbola minia mikiry manafatra izany.

 

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA

Moto iray no voafaokan’ny fiara lehibe “Semi-rémorque” teo Ankadimbahoaka, omaly tokony ho tamin'ny 8 ora maraina. Na izany aza dia avotra soa aman-tsara sy tsy naratra ilay mpitondra azy na nianjera sy tavela teo anoloan’ilay kamio aza ny moto nentiny.

TONTOLO IAINANA

 Tafiditra ho anisan’ny faritra arovana eto Madagasikara ny Fivondronan’ny faritra mando Mangoky-Ihotry mirefy 4 hetsy hektara, ary ahitana ny farihin’i Ihotry faha-3 lehibe indrindra eto amintsika.

MAHAFARITSY SAMUEL

 Mijaly ny vahoaka Malagasy fa miandry ny fitsanganan’ny Filoha Malagasy satria efa vonona izy ireo, hoy i Mahafaritsy Samuel, Filohan’ny Antenimieram-pirenena teo aloha teny Tanjombato omaly, nandritra ny fankalazana ny tsigerin-taona nahaterahan’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

LA GRANDE BRADERIE DE MADAGASIKARA

 Hatao eny amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina ny 20-24 desambra izao ity tsenabe karakarain’ny Mada Vision ity, ka mpitsidika hatrany amin’ny 50 000 no andrasana amin’izany. Marihina fa nampivory ireo mpandray anjara miisa 280 handray ny mpikarakara omaly. Mahatratra hatrany amin’ny 380 ireo trano heva ho hita mandritra ny hetsika.

OLANA ARA-PAHITANA

 2% ny tahan’ny fahajambana eto Madagasikara, ary 1% kosa ny olona voan’ny aretina “cataracte”. Ny olon-dehibe no tena voa amin’izany.

 

TENISY AMBONY LATABATRA
Atleta malagasy telo no handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny fiadiana ny tompodakan'i Afrika Atsinanana eo amin'ny taranja tenisy ambony latabatra, dia Andrianantoandro Sitrakiniaina sy Razafindralambo Andrinirina Zo Nandrianina ary Rakotoarisoa Mamy. Hotanterahina atsy amin'ny Nosy Maorisy ny 13 ka hatramin'ny 15 desambara ho avy izao ny lalao. Nanolotra vatsin-dalana sy nirary soa ary nitso-drano azy ireo ny Lehiben'ny faritra Analamanga Ndranto Rakotonanahary.

SANDAM-BOLA

Tsy dia hisy fiantraikany firy amin’ny fanarenana ny Ariary ny vola avy amin’ny  FMI, izay tonga dia hanentsenana ny fividianana ny entana ho an’I Madagasikara, raha ny fanehoan-kevitry Rado Ratobison, avy amin’ny Fari-bolan’ny mpandinika toekarena na ny CREM. Isan’ny misitona midina ny sandam-bola hidina ny fisian’ny 20 000Ar mitambatra, raha ny nambarany.

RAJAONAH ANDRIANJAKA

Nikabary ambony vavahady I Emmanuel Marcon izay milaza hoe Lafrantsa dia tsy manana politika Afrikanina intsony na ary tsy misy intsony izany “France-Afrique”, hoy Rajaonah Andrianjaka Filoha Nasionalin’ny Antoko Otrik’afo. Zavatra goavana be ny fiantraikan’izany aty Madagasikara sy ireo tany Afrikanina zanantany Frantsay teo aloha, raha ny fanehoan-keviny. Teo aloha mantsy hatramin’izay dia ny Frantsay foana no mametraka izay ho mpitondra.

Nambarany ary fa tokony revôlisiôna aloha no hatao, izay vao fanarenana mialoha ny fifidianana. Hiteraka korontana mantsy, hoy ny filohan ny Otrik’afo, ka aorian’izay no hisy ny revôlisiôna. Nambaran-dRajaonah Andrianjaka ihany koa fa tsy mankasitraka ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny 90%-n’ny vahoaka Malagasy.

FAHASALAMANA

Misy ireo sekoly tsy miankina mampiofana ho mpitsabo mpanampy no tsy mahafehy ny rafitra LMD noho ny tsy fisian’ny mpampianatra. Eo ihany koa ny tsy fananan’ny mpampianatra diplaoma mifandraika  amin’izany. Manoloana izany indrindra no hanaovan ny holafitry ny ambony Paramed antso avo  amin’ny ministry ny fampianarana mba hijery ireny sekoly tsy manara-dalàna ireny. Miantso ny fitondrana mahefa ihany koa izy ireo mba hanakatona ireo sekoly tsy manana fahazoan-dàlana hisokatra ny filohan ny holafitry ny Paramed, Rakotonirina Urbain Antoine

CNAPS

Faritra 16 amin’ireo 22 no efa nandalovan’ny CNAPS, nanapariahana ny momba ny lalàn’ny fiahiana ara-tsosialy tamin’ny alalan ny SASS  na ny “Service d’action sociale et sanitaire” hamaranana ny tahirim-pirenena ny fitetezam-paritra ny ao Antsirabe amin’ity herinandro ity. Tafiditra indrindra amin’ny politikam-panjakana hiadiana amin’ny fahantrana mantsy ny fidiran’ny mpiasa ao amin’ny CNAPS amin’ny alalan’ny fanomezana fiahiana ara-tsosialy azy ireo.

ZAVA-KANTO

Tarika Malagasy mipetraka any Frantsa any ny tarika Alalà, izay hivondronana teratany vahiny maromaro mandrafitra azy, ary tarihin’i Mandratohery na i Goul, Malagasy ao anatin’ny tarika. Mampiavaka ity tarika any Frantsa ity ny fiangaliana ny gadona Malagasy ranoray amin’ny tononkira na dia Frantsay sy Kolombianina ary Afrikanina aza no mandrafitra ny tarika. Nisy ny fitetezam-paritra nataony eto Madagasikara ka niainga tany Toliara izany ary nitohy tao Fianarantsoa sy Antsirabe ary hifarana eto Antananarivo anio 13 sy rahampitso 14 desambra ho avy izao.

HANDBALL

Nosokafana tamin’ny fomba  ofisialy omaly maraina teny amin’ny Lapan’ny fanantanjahantena Mahamasina ny fiadiana ny ho tompondakan i Madagasikara eo amin’ny taranja hand-ball. Nisy ny kabary sy hetsika nentina nanokafana izany, narahin’ny lalao avy hatrany moa izany. Tokony ho ekipa 8 no handray anjara eo amin’ny sokajy lehilahy saingy niala an-daharana ny HTBH, Toy izay ihany koa ny teo amin’ny sokajy vehivavy saingy niala an-daharana ihany koa ny Zanak’ala. Hifarana amin’ny alahady 17 desambra izao moa ity fifaninana ity.

MPIASAN’NY SAMVA

Novalian’ny Minisitry ny Rano, ny Angovo ary ny Akoranafo ny fangatahana 6 amin'ireo 7 nataon'ny mpiasan’ny SAMVA : fitaovana enti-miasa hiarovana ireo mpiasa; dokotera 2 sy mpitsabo mpanampy 2 ho an'ny mpiasa tsy raikitra, fandoavana Cnaps, fanavahana ny karaman'ny mpiasa raikitra sy ny mpiasa an-tselika, fampidirana ho mpiasa raikitra ireo mpiasa antselika niasa maherin'ny 4 taona, fanomezana tambin-karama 33% n' ny karama sy solombodiakoho mandritry ny fety. Tsy afaka nanome fahafaham-po ho azy ireo kosa ny minisitra mahakasika ny fangatahana karama ho an'ny faha-13n’ny volana satria ny filankevi-pitantanana tarihin'ny Ben'ny tanana ihany no mahatapaka izany.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT