Azo ambara fa fandresena ho an’ny UCTU no nitranga teo amin’ny fizotran’ny fampakarana ny sarandalan’ny zotram-pitaterana andrenivohitra ho 400 Ariary raha ny zava-nisy omaly alatsinainy 5 novambra no asian-teny.
Sarandalana izay tena ankatoavin’ny ao amin’ny fivondronana satria dia tsy ny kaoperativa intsony fa ny CUA no manao ny tapakila izay handraisany vola misimisy ihany araka ny kajy natao (700 ariary no ividianan’ny fiara iray ny tapila roa zaraina amin’ny olona 200 raha ny nambaran’ny resevera iray ka mbola mety latsadatsak’izany no handraisan’ny kaoperativa azy). Nilamina tamin’ny ankapobeny ny asa nataon’ireo zotra mpitatitra efa nampiakatra sarandalana hatramin’ny alakamisy 1 novambra ireo. Tsy dia nahenoana trangan-javatra nisavorovoro be loatra tany rehetra tany afa-tsy ny tsindrim-paingotra sy ny esoeson-teny nifanaovan’ny mpandeha sasantsasany sy ny mpamily ary ny reseveran’irenyzotra ireny.
Niavaka kosa anefa ity nahazo ny zotra 113 iray mampitohy an’Analakely sy Mahazoarivo ity izay niray hina tanteraka ireo mpandeha rehetra tao anatiny ka tsy nisy nadoa afa-tsy 300 ariary ary dia tsy hitan’ny mpamily ny mpanampy azy ny natao afa-tsy ny nanatitra ireo olona rehetra (na dia nanao fara-teny aza hoe : tadidiko daholo ianareo ireo ka manampoiza fa tsisy ho entiko intsony amin’ny manaraka). Ny harivariva no somary nanahirana ny fiandrasana fiara mpitatitra teto Iarivo satria mety mbola natahotra fandrahonan’ny mpandeha amin’ny maizimaizina angamba ireo mpamily sy resevera na koa efa fenofeno tsara noho ilay fisondrotana ny versemà ka mba mody aloha hitsotsotra hiaraka amin’ny any an-trano. Marihina fa mbola nitohy kosa ny fitondran’ny zotra sasany mampitohy ny renivohitra sy ny manodidina ny tapa-dalana 200 ariary ary ny lalana feno 300 ariary izay nisaoran’ny mpandeha azy ireo nivantana izany teny an-dalana teny.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.