Omaly alatsinainy 19 jolay no andro voatondro fa hisondrotan’ny saran-dalana amin’ny zotra nasionaly araka ny fifanarahan’ireo mpitatitra nandritra ny fivoriany tamin’ny herinandro lasa.
Amin’ny ankapobeny anefa dia tsy mbola nihatra ny saran-dalana vaovao efa nofaritan’izy ireo. Samy manana ny fandaminany koa anefa ny kaoperativa tsirairay. Nanazava ny mpizara tapakila eo anivon’ny kaoperativa Fimpima mampitohy an’Ambalavao sy Ihosy amin’Antananarivo renivohitra fa vao ny sabotsy teo no nipetaka teny amin’ny toeram-piantsonana Fasan’ny karana ny takelaka manazava ny fiovan’ny saran-dalana ka notazonina amin’ny sarany teo aloha izay famandrihana voaray ny sabotsy teo. “Ny fampitana ny toromarika izao no imasoanay satria omanina ny mpandeha fa tsy azo tampohana ka amin’ny alalan’ny fanambarana amin’ny onjam-peo no anaovana izany any Ihosy sy Ambalavao ” raha ny fanazavany ihany. Mihevitra ny tenany fa ny alarobia any vao tena ho zatra ny fanovana ny mpandeha ka azo ampiharina ny saran-dalana vaovao. 25.000 ariary moa ny saran-dalana mampitohy an’Ihosy ankehitriny izay hakarina 30.000 ariary. Ny mpitantana ny birao ao amin’ny kaoperativa Mafio koa dia nanamafy fa sarotra ny hanondrotra ny saran-dalana avy hatrany, indrindra ao anatin’izao vanimpotoana mahasahirana ny olona izao. “Sarotra ny hamerenana ny saran-dalana mankany Toliara ho 45.000 ariary toy ny tamin’ny taona 2008 fa ny ataonay dia ny hitazona izany tsy ho latsaky ny 35.000 ariary intsony. Misy fiara anie izao mandeha na dia 25.000 ariary aza”.
Mizarazara ihany koa ny hevitry ny mpandeha satria misy ny milaza fa tsy rariny ny fanondrotana ny saran-dalana satria ny vidin-tsolika efa nidina. Misy koa anefa ireo mivonona ny hanainga hatrany satria efa niomana ny hiala sasatra. Nanazava ny filoha nasionaly lefitry ny Mafio, Rakotondrafara Fredinard fa rehefa tafapetraka tsara ny lamina anatiny mifehy ny kaoperativa mitovy zotra dia hotazonina amin’izay ny saran-dalana vaovao ka amin’ny alarobia izao no heverina fa hahatontosana izany. “Ho an’ny kaoperativa mankany Fianarantsoa sy Toliara dia hasiana latabatra lavabe manoloana ny birao ka eo no mandray ny mpandehany sy mizara ny tapakila ireo mpiasa misahana izany. Mifandimby manara-maso ny fizotrany ny filohan’ny kaoperativa. Ho an’ireo fiara mampitohy an’i Morondava indray dia ao anaty birao iray no zaraina ny tapakila ho an’ny kaoperativa rehetra ka mifandimby indray izany ny kaoperativa isanisany”. Fandaminana iraisan’ireo fiara eny amin’ny Fasan’ny karana ity raha ny fanazavan-dRakotondrafara Fredinard ihany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.