Actualités

Saran-dalana nihazo an’i Vontovorona Tafakatra 1500 Ar ny sabotsy teo


  • Alatsinainy 13 Febroary 2017

Nisedra olana tanteraka ireo mponina nandeha namonjy raharaha sy namonjy fodiana tany amin’iny kaominina Fenoarivo sy Alakamisy Fenoarivo iny ny sabotsy teo.

 

 Tafakatra 1.500 Ar mantsy ny saran-dàlana ho an’ny olona iray, mandroso fotsiny,  tsy nisy tapa-dalana toy ny mahazatra intsony. Noho ny fisian’ilay lalao baolina kitra nifanandrinan’ny ekipan’ny Cnaps Sport sy Botswana no antony nahatonga ny fampiakarana izay tena nampitombo avo folo heny ny mpandeha. Maizina tanteraka eo Anosy misy ny toby fiantsonan’izy ireo vokatr’izany. Izay be sandry ihany no tafiditra niampy ny vavan’ny mpamily sy ny mpanampy azy fa mpijery baolina aloha no entina satria maika dia tsy maintsy mandoa ilay 1500 Ar notakian’izy ireo. Niahaka avokoa, araka izany, ny mpandeha tsotra. Nisy mihitsy ireo navoakany teny ivelany ho an’ireo tsy nanana afa-tsy 700 Ar saran-dalana mahazatra. Araka ny vaovao azo farany dia nisy tamin’ireo taksibe ao amin’ny zotra G no sahy nampiakatra ny saran-dalana 2.000Ar nandritra ny fodiana niravan’ny baolina nanomboka tamin’ny 5 ora hariva.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT